Toa misy olona sy sokajin’olona mihevitra fa tompon’i Madagasikara ambongadiny eto, ka viravirainy amin’izay maha diavolana ny sainy mihitsy ilay firenena Malagasy. Firy taona teo tsy hita izay nafitsoka, lany andro nivarotra fampanofinofinofisana, fa tsy hita izay tena vokatra sy fandrosoan’ny firenena fa vao mainka aza nilentika i Gasikara. An-taonany maro no nitanisana fanamby sy vina ary velirano, fa fihemorana no tena hita taratra. Nandeha hatramin’ny fanovaovana anarana Vondrona politika satria lany manja sy tsy mahomby, ka ezahina havadibadika mba hisintonana hatrany ny sain’ny olona. Hatramin’ny fandaharan’asa no hafa no harantiranty any amin’ny propagandy, hafa no lazaina hotanterahina, hafa no nampanantenaina ary miova eny an-dalana iny rehefa misy ny haingam-panahy kitaitaitra. Tsy tena misy sori-dàlana nitondrana ny firenena fa toa izay nalehany tany nidonany, ka miezaka mitady izay azo hanilihana sy mampanantena izay azo ampanantenaina. Ny nambara fa hovitaina 5 taona lasa tadiavina hampiana 5 taona manaraka, ny lazaina fa tsy mampandroso na hatramin’ny 2060 aza lasa handadiladizana fatratra sitrany ahay,… Kitsapatsapa sy kirendrarendra no tena nitondrana ny firenena. Tsy nisy programa sy fandaharan’asa maty paika sy drafitra matihanina hoenti-manatanteraka azy, fa dia manidintsidina fahatany eny. Hatramin’ilay voambolana manana ny hasiny sy ny lanjany dia ilahy hoe: “velirano” no toa lasa maty hasina satria mety tsy hay akory ny tena heviny sy ny soatoavina fonosiny. Potika ny zava-drehetra na toekarena, na sosialy, na politika, eny fa hatramin’ny soatoavina Malagasy rava. Ny sary miseho dia toa mitady hiziriziry hanao sorona sy takalon’aina ny firenena amin’ny alalan’ny kopisoroka. Tonga hatramin’ny hetraketraka sy mizana tsindrian’ila amin’ny alalan’ny adin’ny kanosa toy ny fanakanana mivantana na ankolaka ny antoko na vovonan’antoka samihafa hiditra an-tsehatra amin’ny raharaham-pirenena. Toa mandeha sahady ny adin’ny kanosa mariky ny tsy fahatokisana valera, hany ka ny don-tandroka sy fisomparana na filàna kisa amin’ny hafa no tadiavina hampanjakaina! Sa kosa tsipaky ny miala aina hoenti-manakorontana daomy no betsaka?
Toky R
ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy