airtel

Edito

29-janv-2026

Ady farany!

Ny fiafaràn’ny taona 1980

Sample post image

hatramin’ny fiafaràn’ny taona 1990 tany

29-janv-2026

ho any no tena nampalaza ny sarimihetsika feno hetsika na hoe «film d’action» teto Madagasikara teto. Malaza tamin’izany ny fomba fiteny hoe «gidra farany!» na koa hoe «ady farany!». Izany no nentina nilazàna ny fifanandrinana farany teo amin’ny mpilalao mitana ny toeran’ny fototry ny tantara na «rôle principale» sy ny mpilalao mitana ny toeran’ny mpanohariana na «chef de bande». Deba, hoy ny filazan’ireo mpitia an’ireny karazana sarimihetsika ireny azy. Io izany ilay tena lehiben’ny olon-dratsy rehetra manao izay hahalavo ilay na ireo mitana ny toeran’ny mpilalao fototra fa mifanohitra amin’izay koa ireo mpilalao fototra no tena manana anjara andraikitra hamongotra an’ireo heverina hoe fanetriben’ny fiarahamonina ao anatin’ilay tantara ireo. Eo amin’ny fiainana an-davan’andro ihany koa Raolombelona dia toy ny miatrika ady farany isan’andro mialohan’ny hodian’io masoandro io na aiza na aiza firenena misy azy. Rehefa miresaka firenena ihany moa isika dia azo oharina amin’ny manjo ny firenena malagasy ankehitriny koa izany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa izany dia azo ambara hoe toy ny miatrika ady farany ankehitriny ny tolona rehetra izay nandalo teto amin’ity firenena ity nanomboka ny taona 1947, 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, 2025. Mbola tsy resy tosika eto amin’ny firenena tsinona ireo lazaina ho mpamatsy vola iraisampirenena nefa hita hatramin’izay ho nanao ampihimamba iraisampirenena ireo harem-pirenena isan-karazany eto. Mbola miezaka manao ny ataony hatrany ny mpanjanatany na ny marimarina kokoa ny mpambabo tany amin’ny endriny vaovao. Tsy ny atin’ilay firenena ihany no mbola itoeran’ilay antsoina hoe forongony na fanetriben’ny firenena tsy nahalala afa-tsy ny tombontsoa manokana ho azy fa tsy mba nahalala izay tombontsoam-pirenena fa na eo amin’izay sehatra iraisampirenena izay koa aza dia misy forongony tokony hahamailo sao tsy hahatongavana intsony any amin’ny tena antsoina hoe fanovàna marina, araka izay notakiana tanatin’ireny tolona rehetra ireny. Inoana kosa angamba fa tena ady farany ary raha sanatria tsy ity no ady farany dia efa resy rahateo izany ny firenena, izay mbola manalasala ny maha firenena azy hatreto, hoy ireo fanehoan-kevitry ny mpanao politika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap
04-mars-2026

hoy ny fandinihan'ny teo aloha na Ntaolo.

Card image cap