airtel

Edito

19-avril-2022

Edito

Afaka mba mahalala menatra ve ?

Sample post image

Tsy ny hoe afaka manetry tena intsony angamba izao no tokony ho fanontaniana mipetraka fa tena hoe afala mba mahalala menatra tompoko azafady?

19-avril-2022

Dia mbola tsy mahalala menatra ihany indray ny fitondrana mijoro milalao serasera an-tsoratra sy an-tsary toy ny efa talenta nandrendrehany ny mason’ny maro an’isa hatramin’izay amin’ny alalan’ny fampisehoana mirentirenty fa ho atao firenena filamatra na “pays-pilote” i Madagasikara. Tsy afaka nafenina anefa angamba na andeha atao hoe isaorana naneho fangaharaharana ny fitondrana nilaza fa nifanaiky ny teo anivon’ny firenena mikambana sy ny famatsiam-bola iraisampirenena ary ny banky iraisampirenena fa i Madagasikara dia ho atao “pays-pilote” ao anatin’ny politikan’ireo firenena marefo indrindra. Tsy nolazaina tao anatin’izany fampahafantarana izany mihitsy moa ilay voambolana Malagasy mahalaza mazava izay atao hoe “pays-pilote” izay ary dia mbola nahagaga ihany aza, mba tsy hilazana hoe nampanongo tena, ny mbola fahasahian’ilay serasera nilaza fa “ny hafatra mafonja” nentin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina tamin’ny fivoriana fara-tampony tany Glasgow, Ekaosy, no nahatonga izany. Tsy aritra ny tsy ampahatsiahy hatrany ny dikan’ny teny frantsay hoe “pays-pilote” amin’ny teny Malagasy hoe “firenena filamatra”. Firenena filamatra amin’ny fahantrana ve izany? Tokony hampirehareha ve izany? Ny resaka henatra sy fahafaham-baraka angamba moa azo lazaina ho efa naha vita vakisiny izao fitondrana izao taorian’ireny zava-maha menatra na “scandale” be dia be tsy ilaina haverina tanisaina intsony eto amin’ny firenena ireny fa ny maha velona ahiahy ny maro izany izao dia hoe hitombo indray ny fatotra ara-pilana ara-bola amina firenena sy rafitra iraisampirenena ka mety hibaben’ity firenena ity trosa tsy roa aman-tany hanahirana ny taranaka any aoriana any ary tsy ity fitondrana ity mihitsy no hanafaka antsika ao anatin’ny filana famatsiam-bola mahazatra satria dia io fa tafiditra ao anatin’ny vovon’ilay antsoina hoe “Bretton woods” indray aza izany izao isika ity.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap