airtel

Edito

23-mai-2024

Alefa foana mandra-paha…

Alefa foana mandra-paha tampina ny daomy ve izany ity fambolena

Sample post image

olana eto amin’ny firenena ity? Iny moa izany izao fa dia nireharehana indray ny andrana

23-mai-2024

tekinikan’ireo fitaterana an-tariby na dia iaraha-mahalala aza ny olana lalim-paka momba ny herinaratra eto Antananarivo. Nilaza ny tomponandraikitra tamin’ny fotoan’androny fa sampana hafa mihitsy no hiandraikitra izay herinaratra fampandehanana ny fitaterana an-tariby izay ka dia ho hita eo tokoa ary! Hamaha ny olana mikasika ny tohamboivoy amin’ireo faritra maro mijaly vokatr’izany toy ny eny Anosizato sy Itaosy ve, hoy ny mpamakafaka iray izay? Nisy mponina eny an-toerana rahateo moa nangataka hoe mba asio azy io koa aty aminay. Efa mba manao ahoana tokoa moa ny tontolon’ny famatsiana herinaratra eny Itaosy sy ny manodidina eny. Tsy Antananarivo na Antananarivo sy ny manodidina ihany, anaty fononteny, no mivaivay ny olana mikasika ny herinaratra fa manerana ny nosy. Ny resaka teleferika moa izany nefa hoe eto Antananarivo no nofidiana hanaovana azy na dia feno toerana saro-dalana sy an-kodahoda marobe aza eto amin’ilay Madagasikara. Hamaha olana no tanjona sa hanaingo ambony tsikoko? Iaraha-mahita io ny tontolo iainana eto Antananarivo. Ireny fako misavovona, loto tsy loto, fofon-dalina sy ny tariny ireny ve no hifaliana sy ho tazanina eny ambony eny. Firy isan-jato izany no antoka fiarovana ny ain’ireo ho mpanjifa itony lazaina fa fandrosoan’ny tanan-dehibe itony? Ho ravahana makety tahaka ny fitantanana firenena ankehitriny na koa hoe fanorenana vato fototra etsy sy eroa dia andrasana hatrany ny tohiny ve ny mikasika izany rehetra na koa ilay voafintina amin’ny hoe «seho ivelany» fa rehefa mandeha ny fotoana dia toa io mahazo ny kianja Barea io sa tena hahatanteraka ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso? Asa moa izay iafarany fa ny hita aloha izany hatreto dia alefa foana mandra-paha tampina ny daomy angamba no filaza azy ity. Sanatria hiampy indray ve ny fizakan’ny vahoaka ny vokany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap