airtel

Edito

21-déc-2021

Edito

Aleo tsy misangy fahafatesana

Sample post image

Tsy finiavana hampihorohoro na hanao fandemen-tsaina, fa tena mampivarahontsana indray ny firongatry ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao, ankoatra ny loza mahatsiravina miseho isan’andro.

21-déc-2021

 Mila fandinihana lalina ny zava-misy !!! Vao mba mitady hiarian-doha kely miverina amin’ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy isika dia io fa tonga mandravarava hatrany izy. Na miezaka mafy aza izao tontolo izao, ny siantifika, ny manam-pahaizana,… dia mbola tsy tonga any amin’ny fahitana vahaolana mahafongotra tanteraka azy. Ny fanefitra aloha hatreto no vokatra tsara indrindra hitan’ny manam-pahaizana, dia ny vaksiny. Mahavalalanina kosa ny fihetsika miseho eto Madagasikara eo anatrehan’ny zava-misy. Toa miraviravy tànana tsy hita handroso tsy hita hihemotra izany. Miavon-tsy feno isika Malagasy amin’ny fanaovana vaksiny kanefa izay tena vahaolana mahomby sy mafonja ary maharitra eto aloha tsy tena mitoetra. Sady tsy mahafehy tena amin’ny fiarovana isika no tsy miaro tena. Tsy misy maniry ny hiverina hihiboka izany indray eto, ary tsy ho zakan’ny fiainana ara-toekarena sy sosialy intsony izany. Ho betsaka ny himenomenona sy tsy ho voafehy. Rehefa tsy miaro tena anefa, dia tsy misy afatsy izay no ahafahana hifehy an’io tsy hiparitaka. Hatreto anefa, toa samy miraviravy tànana, tsy mivaky loha,… satria na ny Fitondram-panjakana tokony ho mpitarika to teny aza manao tari-bato vilam-bava matetika. Mitodika kokoa any amin’ny bizina, hany ka toa tsy misy tari-dàlana na “repère” mazava ho an’ny vahoaka. Toa mahery angamba ny fitenenana raha hilaza hoe miverina ny “campagne de diabolisation” ho an’ny vaksiny izany, kanefa ny siantifika mahita hatreto fa ny ankamaroan’ny mararin’ny valanaretina coronavirus dia tsy vita vaksiny ny ankamaroany. Tsy fanindrahindrana vaksiny na fanamaivanana ny tambavy, fa ny tsirairay no tompon’ny safidy. Tsy tokony hisy kosa amin’izao vaninandro izao ny fanampiana trotraka ny fahalemen’ny Malagasy ka hambolena fandemen-tsaina samihafa tsy hanapahany hevitra hiaro tena. Mila hazavaina fa ny fanefitra dia tsy hody fady, ary tsy midika fa tsy ho voa intsony, fa kosa manampy ny hery fiarovana hanana tanjaka kokoa hiady amin’ny valanaretina tsy ho tonga any amin’ny fahasarotana be. Eto amintsika eto Madagasikara, dia matetika tsy maharototra ny olona ny zavatra maimaimpoana ka asa hoe: hiandry ny vaksiny hivadika handoavam-bola toy ny any amin’ny firenen-dehibe ve vao ho taitra? Tena samy tompon’andraikitra amin’ny tenany izao, ka aleo tsy misangy fahafatesana!!!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap