airtel

Edito

01-sept-2022

Edito

Ampangain’ny karatra hatrany !

Sample post image

Miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahaiza-mitantana sy mitondra firenena amin’ny endriny maro. Ao anatin’ny krizy no tena ahafahana mandrefy ny fitondram-panjakana iray hoe :

01-sept-2022

hatraiza ny fahaiza-manaony sy fahefany amin’ny famahana olana. Marina sy ekena fa misy ny krizy iraisam-pirenena, saingy tsy vao izao no nisy an’izany e! Nandalo krizy goavana izao tontolo izao niainga tany amin’ny 2006 raha ny resaka solika, ohatra, no resahina hany ka tafiakatra hatrany amin’ny 140 dolara ny iray barila fa mbola tsy nisy fiakarany 1800Ar fanampiny izany ny solika. Henjana ny krizy ara-bola maneran-tany ny taona 2008, izay isan’ny nampitotongana ny toekaren’izao tontolo izao, fa mbola afaka nitana ny sangany taty Afrika tamin’ny fiakaran’ny harin-karena i Madagasikara. Tsy resaka fanasongadinana tsangan’olona raha mampahatsiahy an’izany, fa matoa ny olona nahavita an’izany nisy fahaiza-manao tao. Raha resaka valanaretina, efa nisy teto izany kôlera izay nandripaka olona maro indrindra tany amin’ny Repoblika faharoa sy fahatelo, nanjaka teto ny pesta izay isan’ny nanenjehan’ny mpitondra ankehitriny ny fitondrana teo alohany,… fa tsy mba nanilika ny tsy fahombiazany tany amin’ny hafa ny Fanjakana tamin’izany. Ity zary mpiala bala mandavan-taona, ny fitantanana tsy mandeha amin’izay laoniny, ny laharam-pahamehana kisampotsampona, ny programan’asa sy vinam-piaharamonina misavoamboana sy toa poakaty. Manampy trotraka izany ny toa tsy fahaizana sy tsy fahafehezana firy hoe : iza marina Malagasy ? Manao ahoana ny tantarany sy ny kolontsainy ? Inona no laharam-pahamehana ho azy ? Inona no mahasarotiny azy ? Tena tsy misy zavatra voafehy na politika, na toekarena, na kolontsaina,… fa dia mpitondra fe mpitondra fotsiny ? Mbola sahy nilaza fa noho ny fananany vina sy programa ary planina hoenti-mampandroso ny firenena no maha tompondaka azy, ary tsy adala ny vazaha nisafidy azy. Ny mpanolontsaina no tsy misy sa ilay mpitondra mihitsy no sarotra atoro. Henjana ny adihevitra rehefa tonga amin’ilay hoe: izahay aloha izao no eto, hany ka tsy hanaiky hahitsy, tsy hanaiky ho diso,… Sasatry ny midona amin’ny rindrina ka rehefa midofotra vao miezaka mamono afo sy manodina saim-bahoaka na manao “diversion”, hoy ny fiteny vahiny. Rahoviana vao afaka hanitsy tena sy handray lesona? Ny olana eo tsy miravona, ny eo misosoka ihany! Tsy misy asa fampandrosoana vanona, fa tena mandrindra krizy, mitady izay hanilihana, mijapy izay azo japiana mba hanarenana ny mety ho faharesena ara-politika, mampanonofy sy mampanantena lava,… Izany sisa no re isan’andro eto, ary efa miova ho tsy vita 5 taona ny fampandrosoana raha nolazaina tany amin’ny propagandy fa ny tsy vitan’ny teo aloha 60 taona atao 5 taona. Mbola azo itokisana ve izany? Sao mba tokony handeha hiverina hianatra 4 taona manaraka indray aloha fa tsy mahamenatra anie izany e?
Toky R 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap