izahay aloha izao no eto dia izay tianay io, avelao izahay hitondra”. Tena manao izay tiany, manao hitsin-dàlana tsy te hahalala na iza na iza ny sasany. Izay mianan-kendry manohintohina azy eo mety mbola ho rera-maina satria azy ny fahefana, azy ny basy, azy ny vola,… Mihalalina anefa ny lonilony, ary efa misy manomboka mitsapatsapa sy mitandroka ankoatra ny samy ao anatiny toa efa mifandrefotra sy mifanapoaka. Miakatra ny fahasahiana mifanebaka sy mifamoaka dosie maloto eny amin’ny tambazotran-tserasera,... Izay mahatsiaro ho kely vovokaina mipetraka kely aloha, na mety ho manana ny fahamarinany aza, fa izay matanjaka ara-pahefana ara-bola aloha izany tena mametraka ny fitsipi-dalao. Na mety samy nanao ny tsy mety izao aza, misy ny natao halentika hatramin’ny farany fa misy ny natao handetika sy tsy ho tratry ny aloka mihitsy? Toa efa hifandimbiasana anefa io, ary henjana ny lazon’ady politika ka asakasak’izay mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka mandrakizay eto kanefa iaraha-mahita ny nafitsony hatramin’izay ka hatramin’izao. Sanatria ny hoe: miantso ny hifanenjehana sy hifandimbiasana lava any am-ponja, fa kosa mba efa tokony ho nakana lesona izay rehetra nisy sy niseho teo izay, fa tsy ny nanenjehana sy namotehana ny hafa ihany no haverina. Lesona ho an’izay efa ao anatiny sy mihevitra ny hiditra an-tsehatra amin’ny politika na hitondra Fanjakana ny hoe: ataovy madio na “clean” dia ny eny aty am-piandohana ny dosie, raha te ho tafavoaka velona, fadio ny manararaotra fahefana sy miezaka ny tsy ho tratry ny alina fa misy fetrany ny hitoeranao eo, ka izay no hanaovana ny soa mba hotsaroana, fa tsy laza ratsy sy fangoronan-karena hatrany no hany hahatsiarovan’ny olona anao. Efa fomba fanao hatrizay teto ny hoe: manao ny tsy mety, mameno paosy sy sakaosy,… ary mandeha mitsoaka manao sesin-tany politika avy eo satria mahana. Rahoviana vao mba ho afaka amin’izany ?
Toky R
Tsy misy Firenena mandroso fahatany na aiza na aiza aleha eto ambonin’ny tany, fa mitaky ezaka,