Taratr’izany ny fanamarihana ny andron’ny 08 martsa omaly, izay natokana indrindra ho fanamarihana ny andro maneran-tany hanandratana sy hanomezana lanja ny zon’ny vehivavy. Hita taratra ihany ny finiavana hisehoseho sy hijapy ara-politika, saingy tsy misy lalàna na fitsipika mandrara izany moa ka dia samy mandokondoko izany amin’ny ara-politika e! Tokony hanana anjara lehibe amin’ny raharaham-pirenena rahateo ny vehivavy. Izay eo ihany satria isika akaiky fifidianana, dia manomboka miseho sy tazana ny hoe: iza no mety hanao inona? Iza sy iza no mety hifanohana? Iza no mety ho kandidan’ny vondrona politika iza? Manomboka hifaninana ny fampisehoan-kery ara-politika, ary mihamafy manaraka izany ihany koa ny baolina an-kamely amin’io politika io, raha tarafina amin’ny zava-niseho hatrizay sy ireny niseho tetsy Behoririka ireny. Tsy mbla mipetraka rahateo ny tena fitsipi-dalao ka izay mihevi-tena ho matanjaka aloha no manao don-tandroka sy manao kapa ranjo araka izay saim-patany. Efa mandeha ihany koa ny kitambitamby, ny kitolotolotra, ny kizarazara, ny fiverenana maka ny fon’ny olona indray,… Tsy misy maharatsy an’ireny satria sambatra ny manome noho ny mandray, hoy ny fitenena, saingy mba mila mailo amin’izay amin’ny fitaka sy dona tapany handoavana erany. Mba mila mahay mijery sy mamantatra amin’izay satria betsaka ny fandrika hakana ny fom-bahoaka. Misy hatramin’izay tsy hita izay nafitsoka, fihemorana sy fahantrana lalina no entiny, saingy mbola sahiny ny miteny fa mbola havadiny ho paradisa ity firenena ity. Betsaka ny mpanao kobaka am-bava sy mieritreritra fa mora manadino ny Malagasy, ka aleo tena manokatra ny mason-tsaina sy masom-panahy, mba tsy ho in-droa mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary. “Raha te hamantatra marina ny olona ny olona iray ianao dia aza mihaino izay teneniny, fa jereo izay ataony”, hoy ilay Mpitarika malaza tompon’ny fahendrena Dalaï Lama, ka aleo mba ianarana izany fomba fijery izany mba tsy ho voafitaky ny kobaka am-bava lava e!
Toky R
Tsy misy Firenena mandroso fahatany na aiza na aiza aleha eto ambonin’ny tany, fa mitaky ezaka,