avelao ireo ho faty eo fa ry zareo ihany no nanohana an-dRanona na ranona, ka lasa mitady hisy fivakisana ny firahamonina Malagasy hoe : ny faritra iva mifidy an’i ranona ary ny faritra avo mifidy an’i ranona, raha ny nambaran’i Tahina Razafinjoelina raha nitsidika ny zava-bitany teny amin’ny faritra iva teny Antohomadinika. Nambarany fa mifanome tsiny hoe : ianareo no nandray koveta, ianareo no tsy nandeha nifidy, ka sanatria hatao tahaka an’i Rwanda ve ? Hiady mandrakizay ve no tiantsika hatao ? Lasa voambaka ihany koa ilay mpifidy, voambaka ilay olombelona noho isika tsy mandray anjara amin’ny fanabeazana azy kanefa tena ilaina izany. Andao asa no hatao, aoka izay ny fanenjehana, ary izao efa nanao antso fa andao hakarina ny adihevitra ! Ajanony ity hoe : midina ifotony midina ifotony kanefa tsy mitondra vahaolana fa lasa fanambakana ifotony. Efa nijery teto daholo, vao telo volana izay no vita ny fifidianana depiote, nidina tety, tsy nisy fihetsiketsehana tsy nataony, mody nanao baoty, mody feno rano hatreny amin’ny kibony fa aiza izy izao ? Mitolona « 4x4 » eny amin’ny antenimiera no ataony. Tsy fanomezana tsiny olona raha miteny an’izany fa ilay fomba fanaovana politika. Betsaka ny olona no miteny ahy hoe : miandrasa kely, mbola tsy fotoana, aoka aloha, ka isika ve hijery fotsiny ? Rahoviana ihany ary isika vao hanome ohatra ny taranantsika amin’ny fanaovana politika satria ny taranaka no beazina tsy handainga. Maninona no tsy maintsy mandainga sy manao ratsy izay mamotika ny taranaka kanefa isika tsy kristianina. Nahitsy io kandida io naneho, fa ny fahantrana, ny fampirafesana politika, ny adin’olona sy adin’antoko izay niteraka fifanoherana sy fifankahalana amin’ny samy Malagasy no fahavalo. Matoa izao no manjo ny Firenena dia betsaka ny zavatra mila ahitsy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba fanaovana politika sy ny fitantanana firenena. Moa tsy fotoana tokoa ve izao hanovana ny tantara ?
Toky R
Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady
fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho