fikaonandoham-pirenena isika ankehitriny. Efa nomena fahefana sy fitokisana hitondra ny raharaha ny FFKM izay irariana hahatafavoaka baolina. Na izany na tsy izany, betsaka ireo dingana sy fifanarahana natao teto. Maro ireo famahana krizy ara-politika. Efa nisy izany tondrozotra izany, izay nipetraka ho ambonin’ny lalàmpanorenana mihitsy aza, saingy nisy nitsipaka sy tsy nanaraka. Irariana mba hakana lesona ireny. Asa ny mety hampiavaka azy angamba amin’ity dia ny hoe tena marary ny firenena isan-tsehatra mihitsy no vahana sy havadika lalàna, fa ny hatramin’izay voafetra teo amin’ny fifandaminana politika, fizaran-tseza, fizarana toerana,… dia ny vahoaka niahaka teo hatrany, fa ny mpanao politika nifandamindamin-dratsy teny ihany. Irariana mba tena vahaolana miainga amin’ny marary ny vahoaka, tena miainga eny ifotony, fa tsy sanatria ho sarintsarina fikaonandoham-pirenena fa ny zavatra hotapahana efa milatsaka avy any ambadika any. Dingana lehibe amin’ny tantaran’ny Firenena io raha tena tafavoaka, ka mila apetraka mazava ny hoe : ahoana no tsy hiverenan’ny tsimatimanota ? Ahoana no hisorohana ny fambaboana ny Fanjakana ka hilalaovan’olom-bitsy ny fahefana sy ny rafitra hoenti-mampanjaka ny kolikoly sy ny fangoronan-karena ? Rafitra sy lalàmpanorenana tahaka ny ahoana no tena mety amintsika ? Ahoana ny fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy mba tena hananan’ny Malagasy isam-batan’olona ny anjara masoandrony ? Ahoana no hanatsarana sy hampiroboroboana ny fanabeazana izay isan’ny andry lehibe ho an’ny Firenena iray ? Ahoana ny fomba tena hametrahana ny firaisam-pirenena ? Manao ahoana ny diplaomasia Malagasy eo anatrehan’ny toe-draharaha iraisam-pirenena misafototofoto lava ? Tsy hiseho hahay sy hanome lesona isika fa mampahatsiahy kosa ny zavatra isan’ny mila amboarina eto amin’ny Firenena satria mbola eo anelanelan’ny fanantenana sy ny ahiahy i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ankehitriny !
Toky R