airtel

Edito

13-mai-2024

Aretina politika!

«Gasikara andeha ho aiza?

Sample post image

Tanàna misy antsika izy, nolokoina menamena. Tanàna menamena izy, feno trano mangamanga.»,

13-mai-2024

hoy ny tononkiran-dry zokibe Mahaleo raha nitantara ny momba izany Mozambika izany sy nampitaha azy tamin’ity Madagasikara ity tamin’izany fotoana izany. Samy nandray ny fahazoany ny tian’izany hira izany ho lazaina moa tamin’izany fotoana. Ao ireo nandika fa vokatry ny doro tanety tsy voafehy dia zary nantsoina hoe nosy mena mihitsy ity firenena ity. Niloko mena koa nefa tetsy ankilan’izay ny lokon’ny antoko notarihin’ny filoham-pirenena tamin’izany ary dia niendrikendrika tahaka izao hitantsika ankehitriny izao ihany koa, araka izany, ny antsoina hoe odidina sy hafanana na hoe «contexte et ambiance» teo amin’ny tontolo politika niainana. Teo amin’ny tantaran’ny firenena, araka izany, dia tsikaritra hatrany fa zary aretina politikan’ny mpitondra nifandimby io fandokoana ny zava-misy eto amin’ny firenena io mba hifanaraka amin’ny loko politikan’ny mpitondra. Tsaroana etoana ny fanehoan-kevitrana minisitra iray teo aloha izay hoe tsy mbola nisy nanaja ny lokon’io sainam-pirenena malagasy io mihitsy izay mpitondra nandalo rehetra fa na hatramin’ny tranom-panjakana aza dia nolokoina hifanaraka amin’ny lokon’ny firehan’izay mpitondra miakatra eo. Anio isika mahatsiaro izany tolon’ny 13 may 1972 izany, 48 taona aty aoriana, dia mbola izany ihany no toe-tsaina entina manao politika eto amin’ny tanàna. Lasa aretina politika ilay fandokoana na ny efa lasa mpiaradia amin’ilay fitondrana izao aza no avy nandika izany ho tsy fanajàna, mba tsy hilazana hoe tsy ara-dalàna! J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap