airtel

Edito

27-juin-2022

Edito

Asa indray izay tohiny !

Asa indray izay tohin’ireo fanazavana rehetra efa nomena mikasika ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ity.

27-juin-2022

Tsy hita intsony hatramin’izay tokony handraisana azy fa dia lasa saina ny maro hoe hay ve ka mety mivadika tsiranoka sy entona ny volamena? Hay ve mety mivadika vy? Solika firy litatra, hoy ny sasany, no nanjavona tao fa dia io miverina miha tsy zaka io indray ny delestazy? Ny very aloha izany dia mitohy very. Ny tsy hita mitohy tsy hita. Ny fanazavana misy foana saingy ny fahantram-bahoaka koa mitohy miha lalina. Miha potika sy tsy misy intsony ny fihariana eto amin’ny firenena izay hampian’izany rehetra izany sy ny tsy fandriampahalemana tsy mety voalamina trotraka. Nampidera indray ny fahaiza-manaony tetsy amin’ny kianja Barea iny ireo heverina fa tandroka aron’ny vozona eto amin’ny firenena. Nampidera ireo fitaovana vaovao ihany koa. Hatraiza kosa anefa ny fandraisana andraikitra hamongorana izay tsy fandriampahalemana izay fa toa ireo mitaky zo sy tambin-karama hatrany no hiharan’ny herim-pamoretana, hoy ilay fanontaniana mahazatra ireo mpanara-baovao? Nisy tohiny hatrany ny fanazavana saingy ny hetsika hitondra fampandrosoana sy fandriampahalemana kosa… Asa indray izay ho tohiny !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap