airtel

Edito

08-sept-2023

Asakasak’izay

mbola hino

Sample post image

Tsy misy ny mesia na iza na iza amin’ireo kandida ireo! Niaraha-nahita izao fa tsy mbola isan’izany

08-sept-2023

ihany koa ny filoham-pirenena ankehitriny. 5 taona lasa izay no nararadrarany ny fampanantenana ary isaky ny nihaino azy tany anaty fampielezankevitra tany dia saika taitaitra daholo izay nanotrona hoe hamirapiratra amin’izay izany ity Madagasikara malalantsika ity. “Flyover”, Tanamasoandro, Teleferika, “building” na inona na inona fa dia hoe ho vitantsika ao anaty 5 taona ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona. Tsy nohamarinin’ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany tokoa aloha hoe fampandrosoana tsy vita tanaty 60 taona ve ilay tiany noresahana sa fampahantrana tsy vita tanaty 60 taona? Vita ihany ity ilay 5 taona naha filoham-pirenena azy. Mbola nahenoana fampanantenana foana isan-taona, isam-bolana, eny, saika ho isan’andro mihitsy aza dia mbola fampanantenana foana ihany no matetika heno. Iny koa farany teo tetsy Mahamasina fa mbola naredareda indray ny fampanantenana. Ho tsaroana amin’izay, hono, izay adino. Tokony ho gaga ve ity filoham-pirenena hamarana fotoam-piasana manomboka rahampitso ity sy ireo mpiaradia aminy raha hitsoaka an-daharana hanori-ponenana vaovao tsikelikely daholo ireo lazaina hoe mpiara-mitolona taloha? Asakasak’izay mbola hino tokoa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap