airtel

Edito

19-sept-2023

Ataony tazan-davitra fotsiny!

Mandalo kihon-dalan’ny tantara isika! Ao anatin’ny vanim-potoana mivaivay tokony hametrahana ny tena vato fototry

Sample post image

Fanjakana tan-dalàna sy ny fiaindrianam-pirenena. Marina fa mifampiresaka sy mitady vahaolana amin’ireo sehatra iraisam-pirenena isika

19-sept-2023

satria tsy afaka ny hiolonolona eto, saingy isika samy isika no tena erany amin’ny ho avin’ny firenena. Manana adidy aman’andraikiny ny mpanao politika samihafa, ireo kandida mieritreritra ny hitondra ny firenena rahampitso,… Izy ireny mety manana ny ampy, mety efa milamina ny fiainany na hanao politika izy na tsia. Ao ny mety terem-panahy mahatsapa tokoa fa fotoana izao tena handraisana andraikitra ho an’ny firenena fa ao ihany koa ny mety ho manana ny kajiny hafa. Anjaran’ny olom-pirenena no mandinika an’iny. Fa ny azo antoka 100% kosa anefa, dia ny Malagasy maro an’isa dia tonga amin’ilay hoe: teto no niandohana ary eto no hiafarana. Ny mpanao politika na ny mpitondra ambony mety tahaka ny mandeha miantsena etsy Analakely ny fandehanany any ampitan-dranomasina an’aliny kilaometatra. Rehefa kivikivy eto izy, na koa rehefa avy nanangona eto, dia mandeha misintaka any ivelany mihinana ny azo. Mety ho adino eo Ramalagasy, fa ny azy sy ny vady aman-janany milamina. Sary miseho eto izany, tahaka ny hoe: maka zom-pirenena vahiny mialohan’ny hialana amin’ny seza sao ho tratry ny fanenjehana noho afera maro? Tsy dia tamana eto an-tànana vao miala amin’ny seza ka dimy andro monja tsy nialana dia efa lasa nisintaka kely,… Isika no miady hevitra eto, isika miady ho an’ny Fanjakana tan-dalàna, fiandrianam-pirenena, tombotsoan’ny besinimaro,… fa ny sasany migalabona sy mety mihomehy irery manao tazan-davitra avy eo hilalao anao amin’ny lango malefaka, hanjono anao kitolototra,… Fotoana izao hisokafan’ny mason-tsaina sy ny masom-panahin’ny tsirairay e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap