airtel

Edito

19-janv-2021

Edito

Ataovy toy ny fakana seza ny famahana olanA

Sample post image

Voatendry omaly ny loholona vaovao manampy ireo voafidy. Arahabaina sy irariana

19-janv-2021

 

 

soa aloha izany izy ireo hahavita izay vitany. Nanamarika ny andro omaly ihany koa ny tatitra sy karazana ampamoaka nataon’ireo loholona teo aloha, izay naneho sy namotsipotsitra ireo raharaha mafana sy mampiahiahy teto amin’ny firenena. Efa ho an’ny Fitsarana ny baolina ka asa na hisy tohiny ireny raharaha ireny na ho vitavita ho azy toy ny “bonbon sucette” sy ny “écran plat”, na koa ny fitoriana momba ny boaderozy mety efa loa sy levona hatramin’ny dosie. Aza ambara ho nisaraka misy maratra ihany ny andaniny sy ny ankilany, izay tena nifanenjana tao anatin’ny taona vitsivitsy. Isan’ny velirano ny hanafoanana io andrim-panjakana isan’ny niompanana ady hevitra io, saingy tsy tanteraka. Nambara fa mandany vola, saingy ankehitriny, dia tetibola natao tsy maintsy ampy ny loholona 63 no hositrahana loholona 18 ka asa iza marina re mpandany vola amin’izany e? 16 miliara mahery eo ny tetibola, izay nangatahan’ireto handao ny seza ho 7miliara Ar saingy nolavina. Iny eo ihany, fa dia hilamina sy hirindra izany ny fihodin’ny raharaham-panjakana araka ny fomba firesaka. Ho tanteraka amin’izay izany ny fampandrosoana sy velirano satria efa azo ny andrim-panjakana sy ny ankamaroan’ny seza? Handeha amin’izay izany ny fahagagana? Ny seza sy ny fahefana azo, saingy tsy voninahitra io fa adidy, ka sao adino. Mila hakazakazaka toy ny fandromban-tseza ny famahana olana: efa mananika ny 900 Ar ny vidim-bary izay tadiavina hoboriboriana amin’ny hoe amboarina ny kapoaka, tsisy rano hosotroina eto, ny kere mamely, ny vola mitotongana, ny hetra tsy miditra, ny kolikoly mandeha, ny demokrasia tsy misy, ny sazy iraisam-pirenena ahiana,… Mila faranana amin’izay ny kabary sy ny tora-po na ny makety efa ho lava, ka dia miandry vokatra amin’izay izany Ramalagasy e!

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap