nanentohento eran’ny tanana mihitsy izany ho fitsikerana ny mpitondra teo alohany tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny anefa, iza moa no tsy mahavoafakafaka ny fomba fitantanana ireo heverina fa tokony ho orinasam-panjakana madiodio eto amin’ny firenena na koa ny fitantanana ireo harena voajanahary hatramin’ireo vakoka sy harem-pirenena rehetra eto? Rehefa miresaka JIRAMA, ohatra, dia efa maheno fa mety raha kely dia efa ana sehatra tsy miankina ny 80%n’ireo vondrona mpamatsy herinaratra miasa ao. Fa maninona moa no rehefa tsy voahefa tao anatin’ny volana maro ny valin-kasasaran’ireo mpiasan’ny Pharmalagasy, izay efa nahoraka hatramin’ny volana jolay 2022 tany, dia aty amin’ny novambra 2022 aty vao hoe hitory ilay gazety vahiny nanaratsy ilay orinasa, fa indrindra, mitaky onitra 15 tapitrisa Euro? Satria tsy misy hanefana ny karaman’ireo mpiasa ve? Tsy izany ve no atao hoe bizna politika tsy tapaka hevitra, hoy ny fitenin’ny tanora izay? Dia io koa izao ny eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy ny hetran-tranony. Nifanolanan’ny ben’ny tanana lava aloha ny mpanolontsain’ny tanana tamin’ity resaka SMGD izay tsy fantatra mazava intsony na orinasan’ny kaominina madiodio na efa sehatra tsy miankina latsaka fahefany ity. Ny resaka “taxi-moto” izany moa efa hoe avy notsipahana dia mbola nampidirin’ingahy ben’ny tanana amboletra ihany, hoy hatrany ireo mpanolontsaina. Ankehitriny dia midangana avo 100 heny ny hetran-trano. Fa manao ahoana loatra ny fidiram-bolan’ity tananantsika ity no dia hatramin’ny vahoaka mitoetra anaty trano bongo no vesarana izany hetra mety efa mihoatra lavitra ny fidiram-bolany izany? Rehefa mba manao karokaroka amin’izao andron’ny hairaha vaovao izao moa dia raraka ivy mahita hoe ohatrinona no vidin’izany fiara tsy laitram-bala na “blindé” izany? 50.000 hatramin’ny 500.000 Euros eo, izany hoe, manodidina ny 12 miliara Ariary any. Ben’ny tanàna anefa no manana izany aty amin’ny tany farany mahantra aty. Aiza moa no tsy ho sangian’ny mpanara-baovao amin’ny tantaran’i Zakaiosy ao amin’ny baiboly? Tsy efa nanana“blindé” tokoa ve moa i Zakaiosy raha niaina taty amin’ny vanim-potoanantsika taty ?
J. Mirija
Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…
Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,