airtel

Edito

19-juil-2022

Edito

Dera sy laza

Sample post image

Dera sy laza ho anao, hoy ny hiran’I Sareraka tany alohan’ny taona 2000 izay. Misaotra anao aho fa nomenao vahoaka dondrona, hoy ny tononkira.

19-juil-2022

Efa toetrantsika malagasy hatramin’izay io miharitra io. Ho tsinintsika rahateo moa ve? Im-piry voafitaka moa isika izay? 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, tolona tsy tolona no natao tamin’ireny fotoana ireny. Fiaretana ihany koa niainana tao anatin’izany ary nanantenana fa hivoatra be amin’izay ity Madagasikara ity saingy indrisy, iaraha-mahita ankehitriny ny niafarantsika. Fahantrana lalina, henatra imason’izao tontolo izao, sampona ataon’ny mpitondra isaky ny mihetsika, tsy fahafezan’ny filoham-pirenen’ny tena kajy ara-bakiteny sy ny ambiny maro izay maha menatra ihany koa ny mitanisa azy. Tsy mbola mitroatra hatreto ny vahoaka. Mety hoe mbola tsy feno, araka ilay fomba fiteny mahazatra, ve ny kapoaka? Dera sy laza ho an’ny vahoaka malagasy, hoy ireo mpanara-baovao, mivazivazy fa inoana fa maro amin’ireo mpitondra, izay maro an’isa amin’ny tsy fahombiazana koa izao no inoana fa tena midera sy mankalaza ity faharetan’io atao hoe Malagasy io hatreto. Mety hanao ilay fisaorana voalazan’ny mpanakanto, araka ny nambara tetsy ambony mihitsy aza ve sanatrian’izany? Enga anie mba tsy ho izany! Enga anie mba tena hikaro-bahaolana tokoa ihany! Enga anie mba mba tsy hipoaka ny fahafenoan’ilay… kapoaka!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap