airtel

Edito

01-mars-2022

Edito

Difotra tanteraka

Sample post image

Manomboka mitsioka eto amin’ny tanintsika ny rivotra politika iraisam-pirenena eo anatrehan’ny ady manahirana ireo firenen-dehibe.

01-mars-2022

 Mandeha ny fifandresen-dahatra goavana ara-politika sy ara-jeopolitika, ary ahatarafana io, fa tena ilaina ihany kay ny vato sy ny fomba fijerin’i Madagasikara, raha tarafina amin’ny firodorodon’ireo diplaomaty avy amin’ny andaniny sy ny ankilany samy mivoy sy manazava ny heviny. Hitodika aiza ny mason’i Madagasikara? Hipetraka am-pahendrena tsy hiandany amin’ny atsy na ny aro asa hianan-kendry hisafidy ny iray amin’ireo? Sarotra ny fandehan-javatra satria ambony ny tsindry avy amin’ny Tandrefana toa manery an’i Madagasikara homba sy hanaraka ny teniny raha tsy te ho very fihinanana. Etsy ankilany, efa nisoko miadana ihany koa anefa ny politikan’ny Rosianina teto, ary tsy vitsy ireo politisianina nifandray sy nifanaraka taminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ireny fifidianana Filoham-pirenena farany ireny. Ady any ivelany ity miseho ity, saingy manomboka koditra izao tontolo izao, raha sanatria ka tsy voalamin’ny fifampidinihana izay natomboka omaly, saingy mbola baraingo ny ho tohiny. Efa miantraika amin’ny vidim-piainana, miakatra ny vidin’ny solika maneran-tany ka asa mba maharitra firy volana ny tahirintsika? Miakatra ny vidin’ny angovo, na io menaka io anie ka i Ukraine no mitana ny laharana voalohany amin’ny famokarana,… Efa miomana amin’izany rehtra izany ve ilay Fanjakana eto Madagasikara sa mbola variana mampalaza tena mizara fanampiana sy mampiely fanantenana eraky ny tanàna? Toa tsy misy raharaham-pirenena mandeha amin’izay laoniny intsony mantsy fa difotra tanteraka ny Fanjakana, tena tototra sy songonan’ny zava-misy. Sanatria toa mitady izay fomba hanariana dia etsy sy eroa. Izay tena raharaham-panjakana sy raharaham-pampandrosoana tsy hita intsony, fa sasatry ny mandamina sy mamono afo. Toa tsy mahalala izay tokony hatao intsony, zara raha miodina ny firenena, ny Filoha lasa mpizara fanampiana sisa asany. Aiza moa no tsy hanao ny ataony mangina ao ireo be afera ao anaty Fanjakana. Taiza no mbola nisy toerana minisitra enim-bolana izany tsy voasolo? Ny resaka diplaomasia moa io telo taona azo isaina amin’ny rantsan-tànana ny ambasadaoro voatendry, ny programa sy vina hoenti-mitondra vaky raoka 3 taona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap