airtel

Edito

09-avril-2024

Dingana lehibe ny finiavana!

Dingana lehibe ny finiavana! Inona moa no finiavana tian-kambara

Sample post image

fa ny finiavana hitondra anjara biriky na handray andraikitra eto amin’ity firenena ity?

09-avril-2024

Natetika heno indray tao ho ao ilay fehezanteny nalazan’ny filoham-pirenena amerikanina fahiny, John Fidzgerald Kennedy hoe «Mialohan’ny hanontanianao hoe inona no tokony ataon’ny fireneko amiko dia hanontanio aloha ny tenanao hoe inona no tokony ho ataoko amin’ny fireneko?». Ireny niaraha-nahita ireny izany aloha ireo vonona ny ho tonga solombavambahoakan’i Madagasikara, izany hoe hitondra ny hetahetam-bahoaka eny anivon’ireo distrika naha lany azy eny amin’ny fahefana mpanatanteraka fa indrindra koa hitondra ny hetahetan’ny vahoaka malagasy manontolo mihitsy amin’ny maha depioten’i Madagasikara azy ireo amin’ny fotoana ilàn’ny firenena ny hijoroany amin’izany. Mbola mifamahofaho mandrak’anio ny adihevitra mikasika ny resaka fifidianana eto Madagasikara. Tsy adihevitra vaovao anefa izany fa azo ambara efa hatrany amin’ny taona 1972 tany ho any. Na ireo antoko politika sy mpanao politika mandray anjara amin’izao hazakazaka ho eny Tsimbazaza izao ireo aza heverina fa mbola maro no miaiky, araka ilay fomba filaza, hoe mbola tsy madio ny tokontany. Tokontanim-pifidianana io kanefa dia hoe tsy maintsy miroso moa, hoy izy ireo, fa tsy afaka ny hitaza-potsiny ny sanatria mety ho faharendrehan’izao firenena izao any amin’ny lalina kokoa. Dia ho hita eto tokoa moa! Tsy ho foana ny fanantenana raha mbola misy koa, hoy ny voasoratra, ny farany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap