airtel

Edito

09-juin-2021

Edito

Diso fifaninanana

Sample post image

Samy manana ny solomaso ijereny ny toe-draharaha, arak’ilay fomba fitenina mpamakafaka iray izay tokoa angamba fa dia maha

09-juin-2021

 zendana hatrany ny mahita tomponandraikitra sasany eto amin’ny firenena izay kely fotsiny sisa no tsy hilazan’izy ireo fa efa toy ny paradisa no iainantsika eto amin’ity firenena ity. Ny resaka fotodrafitrasa mitsangana, ny vidin-tsolika lazaina fa tsy mihetsika, saingy tsy tafidina intsony, na dia efa mavesatra amin’ny mpanjifa aza ny vidiny ankehitriny, ny sandan’ny ariary izay maha menatra ny maro imason’izao tontolo izao moa no isan’ny atao hoe entin’izy ireo izay lazainy fa ezaky ny fitondrana izay ho fampandrosoana ity firenena efa tafavarina any amin’ny laharana isany aloha indrindra amin’ny firenena mahantra ity. Ekena tokoa ny fitsanganan’ireo fotodrafitrasa saingy nanavao ho amin’ny tsara kokoa ny fiainam-bahoaka ve? Indrindra ny lafiny sosialy? Iza moa izao no tsy mikaikaika amin’ny fidangan’ny vidim-piainana na entana ilaina an-davan’andro? Odiana fanina ve ilay kabarin’ny praiminisitra indray maka iry fa tsy afaka mampidina vidin-tsolika isika satria be loatra ny trosa ananan’olona amintsika? Mendrika tokoa ve izany io sandan’ny ariary iainana amin’izao fotoana izao io raha fampandrosoam-pirenena no tanjona? Mety tsy afobe tokoa no iainana eto amin’ity firenena ity saingy mbola lavitry ny fenitry ny atao hoe firenena mandroso kosa angamba! Mampahatsiahy ny ohatra nomen’ny mpandinika iray izay hoe “asio mpianatra anaty sekoly manara-penitra saingy mpampianatra tsy mahay atao ao dia anaty sekoly tsy misy dabilio kosa asio mpianatra ampianarina mpampianatra mahay dia ho hitantsika eo fa ity sokajy faharoa ity no ahazoam-bokatra tsara kokoa.” Mila tomombana avokoa, araka izany, ny atao hoe fotodrafitrasa sy olona ao aminy izay vao atao hoe mandroso ny firenena iray. Ny tsy fandriampahalemana mbola mampikaikaika eto. Ny mpisera lavanilina mitomany saingy 14 taona aty aoriana dia mbola mifaninana amin’ilay mpitondra iray teo alohany ihany no maha seriny ny fitondrana ankehitriny. Diso fifaninanana.

J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap