airtel

Edito

20-sept-2021

Edito

Diso firenena sy vahoaka…

Sample post image

“Rehefa tsy mandroso amin'izao i Madagasikara tsy handroso intsony mandrakizay”, hoy ny filoha Andry Rajoelina tao Analavory ny sabotsy lasa teo nandritra ny fitokanana tsena nataony tany an-toerana.

20-sept-2021

 Fa tsy afaka ny mba hanetry tena mihitsy ve fa tsy maintsy mizahozaho mandrakariva ? Kianja manara-penitra no ampanantenaina, dia hoe: tsy handroso mandrakizay raha tsy handroso amin’izao androny izao ? Mbola mitoetra hatrany ny fanontaniana hoe: mba tena fantatr’ilay olona voalaza fa voafidy ara-dalàna sy mamim-bahoaka ve ilay firenena tantaniny e? Mba tena fantany tsara ve hoe: iza marina ireto vahoaka Malagasy ireto ary inona no fandrosoana tadiaviny sy andrasany amin’ny mpitondra? Lasa haingo ambony tsikoko hatrany ny fomba fiasa sy ny laharam-pahamehana. Tsy hoe: tsy fitiavana mpitondra sanatrian’ny vava, fa tena mety zara raha mahalala ny hiviny kely monja momba ny Malagasy ireto mpitondra azy ireto. Miaina amin’ny sarintsarim-pihetsika ho akaiky sy tena mahafantatra ny marary ny vahoaka, fa tsy fantany akory hoe: iza marina ireo? Inona no hetahetany ? Ilay olona milaza ho niomana 4 taona aza moa angamba 6 volana tao anatin’izay no nipetrahany teto rehefa very fihinanana tao anatin’ny tetezamiitatra nanjakan’ny kolikoly sy fangoronan-karena kanefa dia nambarany fa ny fahatongavana eo amin’ny toerana sisa dia handroso i Madagasikara. Na mihevi-tena ho nanao zavatra, midoka tena andro aman’alina, manamaivana ny mpitondra nifanesy ho tsy nahavita zavatra aza I Andry Rajoelina, dia tsy azony lavina fa izy no Filoha namotika indrindra an’ity Madagasikara ity, izy no nampahantra indrindra ny firenena, ary tsy mbola nisy fitotonganana toy izao tao anatin’ny 60 taona. Oviana hatry ny naha tany ny tany no nijotso tany amin’ny -4% izany ny tahan’ny harin-karena teto Madagasikara ? Izany ve no antsoina hoe: fandrosoana? “Scandales” na toe-javatra mamohehitra isan’andro no vokatra, resabe sy fampanantenana poakaty no betsaka, fampalazana tena andro aman’alina no hafafy,… fa ny vokatra miantraika any amin’ny aty vilan’ny Malagasy dia toa miandry an’Ambatobevohoka ho teraka, toy ny miandry Tramway nolazaina fa efa any anaty sambo hatry 10 taona mahery.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap