airtel

Edito

11-nov-2024

Edito Aiza ireo Raiamandreny?

Miverin-dalana lavitra be izany izao ny

Sample post image

firenena na dia efa aty amin’ny taonjato faha 21,

11-nov-2024

taona arivo fahatelo aza isika izao. Haverin’ny fitondràna ankehitriny any anatin’izany hoe vanim-potoanan’ny fiforetana anaty izany mihitsy. Vanim-potoana nanamarika ny literatiora malagasy tao anatin’ny fanjanahantany izany saingy ankehitriny io ezahina atao hanamarika ny fiainan-dRamalagasy manontolo io mihitsy. Hatramin’ny fanehoana tsy fahafaliana noho ny fahatapahan’ny herinaratra izay ilaina amin’ny fihariana maro eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao sy ny fahatapahan-drano, izay fototry ny ain’olombelona mihitsy ankehitriny no sakanana amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana sy ny fitaovam-piadiany. Tsy an-kitsitsy izany moa no nambara fa ho famaizana izay mbola mandoro kodiarana na miseho mivoaka ny trano haneho ny tsy fahafaliany eo. Toy ny mahazatra moa dia lazaina ho mpanakorontana hatrany izay manao izany. Olona tsy ampy rano sy tsy afa-miasa na mihary araka ny tokony ho izy satria tsy mahafehy ny fitantanana ny herinaratra sy ny ranony ve izany ny mpitondra ao aminy no antsoina hoe mpanakorontana fa tsy antsoina hoe korontanina ao anatin’izao toe-draharaham-pirenena ankehitriny izao? Tsy ireo tsy mahavita ny asany ka tsy mahafehy izany fitantanana herinaratra sy rano izany ve no antsoina hoe mpanakorontana sy tokony handraisana fepetra manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny? Ho hita eo indray moa izao heverina ho fandaminana na fampihenana izay heverina hoe olana ara-tsosialy goavana dia tsy inona fa io resaka rano sy herinaratra io izay na haharitra mandra-pahatapitr’izao fe-potoam-piasana faharoan’ny mpitondra izao na sanatria mandra-pahavitan’ny 11 desambra 2024 ihany. Tena filaminana rahateo koa ve moa no azo ilazàna izao zava-misy izao sa filaminan-dratsy ihany? Anjaran’ny tsirairay angamba ny mamaly izay fanontaniana izay fa fanontaniana iray hafa mampihorin-koditra ihany koa etsy ankilan’izay dia ny hoe mbola azo ambara ho firenena demokratika ve izany firenena tsy mitsitsy amin’ny famaizana ny olompireneny maneho ny tsy fahafaliany izany na koa firenena ilàna fakàna alalana vao mahazo maneho hevitra amina toerana iray. Niaraha-nahita ny zava-niseho na talohan’ny fotoanan’ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo fa na fivoriana anaty toerana manokana, izany hoe, «privé» sy mitafo aza dia nisy voarara tsy hanao hetsika tao anatin’izany raha toa ka navela malalaka nanao hetsika na taiza na taiza ireo mpiaradia amin’izao fitondràna ankehitriny izao. Io izany izao fa dia miverina indray ny sary toy izay niseho tamin’izany ary efa misy sahady aza moa ireo manahy fa vao mainka hihamafy izany. Aiza ireo raiamandreny am-panahy eto amin’ny firenena? Aiza ireo raiamandreny ara-drazana? Aiza ireo Raiamandreny? Tena tsy manan-kambara ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady

Card image cap
05-déc-2024

fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho

Card image cap