airtel

Edito

25-nov-2024

EDITO

Antenaina ny rivo-baovao!

Sample post image

Antenaina ny rivo-baovao, araka izany, ao anatin’ny fanaovana politika eto Madagasikara

25-nov-2024

taorian’iny ampamoaka goavana nataona kandida ho ben’ny tanàna iray teto Antananarivo iny. Samy nilaza izany ho nilaina avokoa moa na ny avy amin’ny fitondram-panjakàna amin’izao fotoana izao sy ny avy amin’ny fanoherana hatramin’ny heverina fa raiamandreny sy vavolombelon’ny tantara teto amin’ity firenena ity. Na ireo mpandinika sy mpamakafaka sasany avy ao amin’ny fitondram-panjakàna aza moa dia nanamafy fa akanosàna izany tsy fahasahiana miady hevitra izany ary dia gaga tokoa ny maro nanontany hoe nankaiza ary ilay nirehareha ho «kandidam-panjakàna». Ny kandida sasany milaza azy ho avy amin’ny tena fanoherana moa izany dia tsy hita mba nanohitra akory am-pahibemaso ny lazainy fa lainga resahana momba azy. Tsy sahy nifanatri-maso akory. Hanova ny fanaovana politika eto amin’ny firenena moa ny fanaovana ampamoaka, hoy ny vavolombelon’ny tantàra hatramin’ny repoblika voalohany izay. Ilaina avoaka koa ny fahamarinana, hoy ny mpandinika sasany miaradia amin’izao fitondrana izao. Fehiny, araka izany, ny hoe Antenaina ny rivo-baovao!
J. Mirija 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Mitombo ny handalan’ny mpitondra, ka ny ratsy sy tsy nety nokianina mafy sy nentina

Card image cap
16-janv-2025

ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny

Card image cap