airtel

Edito

17-déc-2021

Edito

Edito Antso an’efitra

Sample post image

Tsy sanatria fitia te hanakivy ireo rehetra niantso ny fialan-dRakoto na Rabe na Rasoa na Rabozy sy izay rehetra efa naharesy lahatra ny maro fa manimba ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny endriky ny fitondrana, eny,

17-déc-2021

 vato misakana ireo vahaolana na ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity mihitsy, hoy ny voambolana nampiasain-drizareo mpampianatra mpikaroka izay omaly. Antso an’efitra hatreto aloha no hita raha iny lafiny iny no resahana eto amin’ny firenena tato anatin’izao fitondrana izao. Mety ho valinteny avy amin’ireo mpanapa-kevitra manoloana izay ny hoe efa nisy ny fanesorana saingy efa samy nametraka ny fanontaniana koa ny olompirenena mpanara-baovao tamin’ireny fotoana ireny hoe ireo tomponandraikitra nesorina tamin’ny toerany tamin’izany fotoana izany ve tena ireo sakana tokoa sa nentina nanehoana fotsiny fa tsy misorona izao fitondrana izao saingy ilay na ireo tena fanetribe tsy afaka nesorina satria mahalala tsiambaratelo na hoe “secret”? Nandeha iny ny raharaha mahakasika minisitra voalaza ho nanana tantara niarahana tamina mpanakanto malaza izay tsy vitan’ny hoe nanahirana ny fiarahamonina ny nijery azy fa hitan’ny betsaka ho naneho sary miharihary ny fisian’ny tsy maty manota koa ny nataon’ny vadiny. Firifiry no nitaky ny fialana sy fanalana ireny tomponandraikitra ireny tamin’ny fotoan’androny saingy volana maro taty aoriana anefa ankehitriny dia mbola anaty fitondrana soamantsara izy mivady? Tsy vitan’ny hoe tsy nalana tamin’ny toerany fa dia mbola maneho hatramin’izao koa ny kiantranoantrano anaty fitondrana izay toa tsy hananan’ny filoham-pirenena fahefana sy fahafahana manapa-kevitra akory? Iza avy koa moa ireo tsy efa nitaky ny fialan’izany praiminisitra lehiben’ny governemanta izany ary iny indray izao vao omaly dia feo miisa 2 karazana no nangataka izany? Vato misakana ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, hoy ry zareo mpampianatra mpikaroka. Tsy mahavita miaro ny tany nihaviany akory, hoy ny depiote, saingy izy aloha izao no naharitra indrindra teo amin’io fitondrana io. Na ny filoham-pirenena aza mbola taoriany no nandray fahefana. Asa aloha izay fiovana sy fahagagana rahampitso fa dia antso an’efitra raha ny fitakiana ny fialan’izy ireny aloha hatreto. Hivavahana mba hipoitra ihany ny vahaolana mahagaga na dia ao anatin’izao rafitra voalaza matetika ho tsy afa-maniry eto Madagasikara izao aza! J.
Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap