airtel

Edito

17-juil-2024

Edito

Dingan-dava makany an-kady…

Sample post image

Tsy maniry loza fa mbola mahakely finoana ny hahatafavoahan’ny firenena

17-juil-2024

ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny olana fahantrana. Mena ny ankamaroan’ny tondro rehetra, ary mampanongo tena hoe : i Madagasikara mivarina any aorian’ireo firenena fadiranovana sy miady an-trano mandavan-taona, toa an’i Souda Atsimo, Somalie,… Raha miteny sy mitsikera ary mampahatsiahyb an’ireny, dia raisina ho misakana fampandrosoana sy fahavalom-pirenena. Dia mbola mila averina sy tsiahivina hatrany ve fa tsy misy manakana ary tsy misy mahasakana ny mpitondra amin’izay fanapahan-kevitra sy fampandrosoana tiany hatao eto ? Azy avokoa ny maro an’isa 90% amin’ireo rafitra sy andrim-panjakana samihafa ka aiza izany ny lesoka ? Mbola mitombina ve ny fanilihana sy filazana ny hafa ho misakana fampandrosoana izay nodradradradraina tany amin’ny propgandy fa mila olona mahay miara-miasa aminy ny Filoham-pirenena ? Tsy vao izao no nanana an’izany, saingy ny vokatra aloha tsy mitsaha-mitotongana. Midika izany fa ny fahaiza-mitantana sy fahaiza-manao mihitsy no tsy misy. Mihapotika ny sehatra maro noho ny tsy fahaiza-mijery ny laharampahamena sy ny fahaizana mamaritra ny tena antsoina hoe : « fampandrosoana », hany ka lasa miaina anaty haingo ambony tsikoko hatrany ny Malagasy. Ny harin-karena isam-batan’olona, ny fananan’asa, ny famokarana, ny toekarena avy amin’ny fihariana vaventy na «macroéconomie » sy madinika na « microéconomie », ny fampiasam-bola vahiny mivantana,… dia tsy mba hananan’i Madagasikara teboka miabo. Ny tetikasa lazaina fa fampandrosoana dia betsaka no toa vao mainka miteraka olana kanefa misy ny hitrosana an-jatony miliara Ariary maro. Tsy tetikasa mamorona harena no mahamaika eto fa lasa sehoseho ivelany sy trosa manandevo. Ny Fanjakana efa tsy mahavita azy, kanefa ny sehatra tsy miankina ihany koa miha sempotra, tsy mba afaka mivelatra noho ny antony maro : olana ara-angovo, fitakian-ketra mihoampampana, tsy fandriampahalemana, fahapotehan’ny làlana,… Dia mampanongo tena hatrany ny zava-misy hoe : tena mbola ao anatin’ilay « Madagasikara tsy maintsy mandroso isika » sa dingan-dava makany an-kady ilay fiventesana fa hafainganina ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary tsy afaka hiandry izay tsy afaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny

Card image cap
15-janv-2025

dondrona mihitsy ve ny fitondram-panjakana.Ankehitriny

Card image cap