airtel

Edito

17-nov-2021

Edito

Edito Fihoaram-pefy manara-penitra

Sample post image

Tsy misy mazia ny politika. Ilay politika faritana amin’ny atao hoe fitantanana firenena na fitantanana raharaham-pirenena mihitsy no resaka eto satria dia tsy mety mitsahatra hatramin’ny niandohan’ity fitondrana ity

17-nov-2021

 ka hatramin’izao ny tranga manaporofo fa avy any ambony ny ohatra mikasika ny zava-miseho rehetra hita eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny. Hita miseho nanomboka eny amin’ny olompirenena tsotra, nandalo tamin’ny mpitandro filaminana ary iny nampahatsiahivin’ireo mpanao politika, mpitarika antoko, mpitsara iraisampirenena teo aloha vao omaly iny koa ny fihoaran’ireo mpitondra nanomboka ny taona 2009 no nankaty. Fihoaram-pefy manara-penitra izany no niseho tato anatin’ny 12 taona, raha fehezina ireo fanehoan-kevitra. Nandeha ny fanonganam-panjakana rehefa tsy nahandry ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika toy izay ireharehany amin’izao fotoana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tsy tanisaina intsony ny tsy fanajana ny tondrozotra tamin’izany fotoana, ny tsy fametrahana araka ny tokony ho izy ny sata mifehy ny mpanohitra, ny fananganana lalampanorenana hitondrana repoblika tanatina tetezamita sy izay nanekena lembenana rehetra hatramin’izao, hoy ny filazan’ireo mpanohitra ny fitondrana ankehitriny azy izay. Satria mbola izay moa izany hatramin’izao ilay maodelim-pitantanana misy eto dia ireny nitohy niseho teny amin’ny kianja Barea ny alahady teo nandritry ny firavan’ny lalao baolina kitra ireny ny tohin’izay ohatra amin’ny kolontsain’ny fihoaram-pefy izay. Niara-dalana taminy koa iny mpitandro filaminana nidaroka sivily izay tsy vao sambany iny. Ny fanimbana ny tontolo iainana izay fandrorana mitsilany mandritra farihy manginy fotsiny. Sarotra ho an’ny mpandrava tokoa ny manangana, hoy ilay fitenenana izay, saingy enga anie mba ho tonga ihany ny fahagagana!
J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap