Teo koa ny dian’ny filohan’ny fanavaozana tany Dobay sy io hifarana anio any Abu Dhabi io. Hatreo fotsiny aloha izany dia diplaomasia miha mitodika kokoa amin’ny tatsinanana no hita ho miha miseho. Mijery ny ivelany sy ny endrika na hoe «forme» hizoran’ity fiadidiana ny fanavaozana ity hatrany ny fitantanana ilay firenena isika dia nahita ihany koa volana maromaro izao fa nandeha ny fanadihadiana samihafa na famonjàna mihitsy ireo heverina fa «forongony» na nanao ny tsy mety teto amin’ity firenena ity tamin’ny fitondràna nisy teo aloha. Teo ihany koa ny fandraisana fepetra tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ireo tomponandraiki-panjakàna ambony maro toy ireo mpitantana orinasam-panjakàna. Vao omaly izao iny no namindra fitantanana ny tale jeneralin’ny JIRAMA teo aloha dia ilay teratany israelinina nokaramaina volabe teto amin’ity firenena ity nefa hatreto dia mbola tsy voavaha tanteraka ihany ilay olan’ny herinaratra sy rano eto amin’ity firenena ity. Maro tsy voatanisa, raha ny endrika ivelany fotsiny izany aloha hatreto no resahina, no taratra fa maneho ny finiavana hitondra fanovàna eto amin’ity firenena ity, na avy amin’ireo mpitondra io na avy amin’ireo rantsa-mangaika hafa rehetra. Hanomboka hijery ny atiny isika kelikely eo hoe inona no vokatra ho entin’izany rehetra izany amin’izay amin’ny fandrosoana na fampandrosoana ny toekarena, fizahantany, ny tontolo iainana, kolontsaina, politika, sosialy, ny rehetra eto amin’ity firenena ity. Ny hirariana moa dia ny mba haha voaporofo fa diso ny ahiahin’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe mety fihetsiketsehana na sinema fotsiny ireny rehetra ireny fa mba ho anatin’ny antsoina hoe fanadiovana tokontany eto amin’ity firenena ity ary hitondra antsika any amin’ny fanovàna tena marina tokoa.
J. Mirija