airtel

Edito

08-juil-2024

EDITO

Inona no mba azon’ny vahoaka antenaina ?

Sample post image

Hanamarika ny tontolo politika ity herinandro ity,

08-juil-2024

indrindra eo amin’ny lafiny fametrahana ireo filohana andrim-panjakana. Andrasana ny sary hitranga etsy Tsimbazaza rahampitso hoe : iza no ho Filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena ? Inoana fa tsy ho ela aorian’izay ihany koa ny hoe : iza no ho Praiminisitra vaovao sa ny tonta ihany no havadibadika ? Kajy politika tahaka ny efa niseho tany amin’ny fifidianana avokoa moa no fototra iorenan’izany saingy ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : inona no mba antenaina amin’izany rehetra izany amin’ny fiainam-bahoaka ? Ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina isika izao, ka raha ny fanasokajiana dia ny Malagasy no isan’ny ambany fidiram-bola indrindra, ambony be ny tahan’ny tsy fananan’asa, tafiditra ao anatin’ny firenena 10 voalohany ambany indrindra ny fisitrahan’ny vahoaka herinaratra, anatin’ny firenena 10 voalohany hanjakan’ny kolikoly sy ny Fanjakana ratsy tantana, ambany be ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany na IDE,… Ny zava-doza, dia tsy ny famahana ireny olana ireny sy ny tena fitsinjovana ny toekarena, ny fihariana, ny sosialy eto no handanian’ny mpitondra rondoha sy vola ny kajy politika toy ny fananana depiote maro. Lasa fahamarinan-toerana sarintsariny no mitranga, lany andro amin’ny ketriketrika ara-politika sy fiarovan-tseza satria seza ihany ary seza hatrany aloha izao no zava-dehibe, hany ka toy ny propagandy mandavan-taona, kanefa etsy andaniny ny tondro rehetra mena avokoa. Miha milentika ny firenena, mihemotra ny demokrasia, ezahana habadoina ny Malagasy, raviravizana sarintsarim-pampandrosoana sy haingo ambony tsikoko,… ka mihena andro aman’alina ny any anaty vilany. Ny fahantrana ara-batana sy ara-materialy efa iaraha-mahita, fa henjana ihany koa ny fampahantrana ara-tsaina sy ara-panahy mitranga eto,… Miha manalavitra hatrany ny rariny sy ny hintsiny,… ka toa miainga avy any ambony ny fivoizana ny kolontsain’ny tsy maty manota, fandotoan-tsaina fa na inona na inona ataon’ny mpitondra dia mety sy mila toavina avokoa. Miainga avy any ambony ny ohatra ratsy amin’ny kolikoly, tsy maty manota, tany tsy tan-dalàna,… Firifiry moa izao ireo mpitantana ambony nana dosie maloto nodiovina tao anatin’ny fifidianana ? Firifiry ireo nanana dosie maloto nezahina nampandresena tsy ara-drariny na efa naloam-bahoaka aza ? Tsy finiavana haniry ratsy fa tsy dia misy fahagagana firy azo antenaina amin’izao fitondrana izao, fa ny Malagasy no mila mifoha tsikelikely !
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy

Card image cap
20-mai-2025

tsy fandriampahalemana,

Card image cap