airtel

Edito

28-mai-2026

Edito

Mailo amin’ny mpamosavy malemy!

Sample post image

Andeha ho ekena tokoa ary

28-mai-2026

fa fomba fiasa lomorina sy tsy nahombiazana ka nampilentika ity firenena tanaty fahantrana lalina tao anatin’izay 17 taona izay no hamaritana ny maha forongony ny maha izy azy ny olombelona sasany niara-niasa tamin’ny fitondràna teo aloha fa tsy dia ilay hoe maha olona niray birao tamin’ireo tandapa teo aloha azy loatra! Tsy mety tapitra hatramin’izao moa ny adihevitra momba izany ary maro ihany tokoa ireo mpanara-baovao no lasa saina nanoloana ireo sary samihafa niseho teo amin’ny tontolo politika malagasy tato ho ato. Eo dia raikitra teo ny fampitaha samihafa mikasika ny fahiny sy ny ankehitriny. Nisy nizara ny sary na rakitsarin’ny filohan’ny fanavaozana nitsidika lalamby, ohatra, dia mba misy mampahatsiahy koa fa efa nanao izany ny filoham-pirenena farany teo. Manao serasera mampiseho fa akaiky vahoaka amin’ny alalan’ny fihinanana masikita eny amin’ny torapasik’i Mahajanga ny fitondràna fanavaozana dia iny koa ny mpanao seraseran’ny filoham-pirenena teo aloha fa mampiseho ny sariny mirevy masikita eny amin’ny «bord» sady mizarazara masikita ho an’ireo vahoaka fa hoe «prezidà mahay mampirevy», hono. Mpitondra mahay mampirevy ve nefa moa izany no ilain’ny firenena amin’izao fotoana izao sa mpitondra mahay manarina azy vokatry ny fahantrana lalina nilentehany tanatin’ny 17 taona? Tsy mahagaga, noho izany, raha misy ireo manahy fa mifono fandrika ihany ity resaka serasera maneho fanakaikezana fom-bahoaka, izay mampametra-panontaniana hoe iza no tena tompon-kevitra amin’izany ity? Tsy vaovao teo amin’ny tantaram-pirenena rahateo ny fisian’izany antsoina hoe mpamosavy malemy tsy mena-mivadika avy tao an-dapa izany. Namarana ny faha mpanjaka teto Madagasikara izany ny taona 1895. Voalaza ho nisy izany hatrany ihany koa tamin’ireo fiovan-drivotra politika nentin’ireo famaranana tolona samihafa nifandimby teto amin’ny firenena na ny taona 1947 io na 1972 na 1991 na 2002 na 2009 na 2018 na 2025, izany hoe, tsy tokony ho vaovao sy hahagaga intsony ny maheno fampitandremana manao hoe mila mailo amin’ny mpamosavy malemy!
J. Mirija 

Dans la même rubrique

26-mai-2026

amin’ilay fifanakalozan-kevitra,

Card image cap