airtel

Edito

09-juin-2022

Edito

Edito Maizina

Sample post image

Niaraha-nahita sy naheno iny ny zava-nitranga nandritry ny fotoam-pandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena teny Ivato omaly.

09-juin-2022

niaraha-naheno ihany koa ny teny naloaky ny vavany nanoloana ny zava-niseho. Samy nandrakitra ilay fehezantena nanan-danja ny mpanara-baovao. Hafahafa, na ilay adika amin’ny teny frantsay hoe “anormal”, hoy izy, ny miasa anaty aizina na miresaka anaty aizina. Izany hoe raha fehezina dia tsapany ihany fa hafahafa mihitsy io miaina anaty aizina io mba tsy ilazana hoe tsy hahafaha-mamokatra ao anaty aizina. Ny ankamaroan’ny malagasy eto amin’ity firenena ity anefa dia izay no mbola fiainany isan’andro. Maizina ara-bakiteny ny takariva aloha manoloana ny olana eo amin’ny resaka herinaratra. Misy faritra maro aza moa tena mbola tsy tongan’izany antsoina hoe herinaratra izany mihitsy ary misy olompirenena mbola tsy nahita izany hazavana avy amin’ny herinaratra izany hatramin’izay niainany. Maizina manaraka izany koa hatramin’izao ny andavanandrom-piainan’ny olompirenena maro. Maizina ny hoavy satria manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy mety voafehy ny vidim-piainana, mihena hatramin’ny fahafaha-mihary. Maizina ny lala-komban’ny firenena ho any amin’ny fampandrosoana ary hatramin’izay nisian’izao fitondrana izao dia io iaraha-mahita io koa ny fiakaran’ny taham-pahantrana miha lalina hatrany eto amin’ity firenena ity. Fitondrana efa tsy manam-bahaolana intsony, hoy ireo mpanao politika sasany izay. Miandry ny mazava?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap