airtel

Edito

13-avril-2021

Edito

EDITO Manao zavatra vao mandinika…

Sample post image

Ny Fanjakana tsy niomana intsony, ary tsy nanam-po mihitsy fa ho lasa mafy kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny firongatry ny valanaretina tamin’ity taona ity.

13-avril-2021

 

 

Tsy mijery lavitra, fa dia nakatona avokoa ny ivon-toerana mandray marary, tsy hita popoka ireo fitaovana sasany tsy nisy fitantanana mangarahara,… Ny fandokafan-tena manginy fotsiny tamin’ny filazana fa nahomby ny paikady noho ny fampiasana ny fanafody nolazaina fa hamonjena izao tontolo izao. Nisy mpitondra Fanjakana nivoy sy nanindrahindra izany aza anefa voan’ny valanaretina, nisy ny nandeha nitsabo tena tany ivelany fa tsy mba nampidirina tamin’ireo hopitaly lazaina fa manara-penitra naorin’ny mpitondra. Ny manam-pahefana sasany mpandoka sy mpiaro fitondrana, mbola misy sahy manao vava tsy ambina, mihantsy ady amin’ny mpiasan’ny fahasalamana, mamoaka vava ho tsy mila vaksiny,… Moa tsy mitovitovy tamin’ireny ny tenin’ny ankamaroan’ny mpitondra, saingy « folaka ihany ny anao », hoy ilay hiran’ny mpanakanto malaza izay. Ny tena loza tamin’ireny hambo-po diso toerana, fanapahan-kevitra tara loatra efa any anatin’ny tapi-dalan-kaleha ireny anefa, dia naman’ny famonoana vahoaka ankolaka. Manao zavatra vao mandinika ny Mpitondra ankehitriny, fa tsy mba mandinika vao manao zavatra. Sasatry ny midofotra satria tsy mahay mijery lavitra. Kitsapatsapa ny fitondrana firenena, ka zary hanaovana tsobo-dranon-dRamiangaly, ka raha marivo dia hirobohana ihany, fa hihemorana kosa raha lalina. Toy izany hatrany. Izay maty any aloha maty, izay marary dia marary, fa ny heviny ihany aloha ny heviny, ny ataony ihany no ataony, ary mahita kisampontsampona foana hatrany. Ny marary ary mila vonjy, tsy ampy « oxygène », saingy toa tapi-maso tohan’aina mety ilaina fa tsy mahavonjy no haderadera. Mbola mahavita mandeha manao fiainan’ny ngetroka satria manam-pahefana. Izay no hanentanana ny olom-pirenena foana hoe: ny mpitondra sy ny mpanefoefo anie raha marary sy voan’ny covid-19 ka afaka makany an-dafy, fa ianao mety ho maty an-dàlana eny am-pitadiavana hopitaly afaka handray. Mety masiaka sy manindrona izany, saingy misy hosaintsainina, ka tsy hanara-davahana hoe: manao zavatra izay vao mandinika na manenina kanefa mety ho tara loatra.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap