airtel

Edito

27-août-2026

Edito

Miodina sy azo ahodina!

Sample post image

Tsy misy ny very.

27-août-2026

tsy misy ny miforona. Ny eo foana no miodina.», hoy ny manam-pahaizana Lavoisier izay. Na ny tany koa aza dia miodina, hoy ireo mpandinika tamin’izany fotoana izany. Samy niharan’ny fanamelohana ho faty daholo avy eo ireo namoaka izany teoria izany, na i Galilée io na Copernic. Rehefa nandeha nefa ny fotoana dia neken’izao tontolo izao ihany fa miodina ny tany. «La roue tourne» na hoe miodina koa ny kodiarana, izay eto amin’ity tany ity koa no misy izany, hoy ny frantsay. Tsetsatsetsa tsy aritra avokoa izay rehetra izay entina milaza fa tsy misy ny hoe tena zava-baovao be manao ahoana azo antenaina ety ambany masoandro ety na koa eto amin’ity firenena ity fa azo atao kosa nefa ny manodina ny fako hiverina ho fitaovana tsara bika sy azo ampiasaina indray. Azo atao ny manodina ireo akora voajanahary samihafa hahazoana fitaovana na fihinana sy fisotro mahasoa ny fiarahamonina manontolo. Miodina sy azo ahodina izany ny rehetra eto! Miodina sy azo ahodina ho amin’ny fahatsaràna kanefa miodina sy azo ahodina ho amin’ny faharatsiana koa. Iny no nahatonga an’ilay andriambavy antsoina hoe Estera, izay voalaza ao amin’ny Baiboly, hiteny hoe «Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?». Teny izay fandre matetika tato ho ato ho filamatrana fikambanana na vondrona samihafa io manoloana ireo trangana vono olona niseho lany teto amin’ny firenena. Io moa ilay mampametra-panontaniana hatrany ireo mpandinika sy mpamakafaka maro hoe fa maninona no isaky ny misy heverina ho dingana fanatsaràna ny fiainan’ity firenena ity foana no misy tranga hafahafa sy mampivarahontsana toy izao. Hatrany amin’ny repoblika voalohany ka hatramin’izao dia na rehefa akaiky fifidianana na rehefa misy karazana fifanarahana politika manangasanga hoe hivoahana anatina krizy, dia io indray koa izany izao fa heverina hitady hizotra any amin’ny fahombiazany ihany ity nandrasana hatry ny ela dia ny hoe fikaonandoham-pirenena ity, dia izao no zava-mitranga. Tsy hametraka fanontaniana lalina intsony isika angamba aloha, raha ny mikasika ny androany, hoe iza no ambadika fa ny heverina ho tokony hanitikitika sy isintonana ny sain’ny rehetra, na ataontsika hoe tsy ho an’ny tia tanindrazana ihany aza fa ho an’ireo mbola mba manana fitsinjovana kely ny hoavin’ity firenena ity koa, dia ny hoe hiodina sy hanodina ny fiainan’ity firenena ity ho amin’ny tsara kokoa sy tsara lavitra no safidintsika sa hiodina sy hanodina azy ho any amin’ny fahapotehana mandrakizay? Atsipy, hono, ny teny…
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

Miditra amin'ny kihon-dalana

Card image cap