airtel

Edito

24-févr-2022

Edito

EDITO Mitsipozipozy

Sample post image

Sarotsaro-piterahana indray ny fikitihana na fanovana na famenoana ireo toerana banga ao anatin’ny governemanta. Omaly no re fa saika hanaovana izany, saingy toa miandry an’Ambatobevohoka ho teraka indray angamba e !

24-févr-2022

 Endrika iray maneho, fa mitarazoka ny fitantanana ny raharaham-panjakana, mety mafotaka ny adihevitra sy ny adivarotra politika. Asa noho ny fihaonan’ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny Filoha sy ny Praiminisitra omaly ve ka mody milamindamina manafina ny lamba maloto aloha? Mba mahagaga ihany ny fitarazohana amin’ny endriny maro. Zavatra stratejika be isan’ny ain’ny firenena ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany raha tena voafehy sy tsara tantana, kanefa dia enim-bolana be izao tsy misy minisitra fa ny Praiminisitra no misahana azy vonjimaika. Izany ve no atao hoe : fahamatorana sy fahaiza-mitantana ? Lojika raha mandeha ny afera be samihafa, ary ny tena mahavalalanina dia ny fomba fiasa sy ny fanapahan-kevitra toa hafahafa. Ny fanondranana lazaina fa mikatona, fa ny fividianana sy ny tsena ato anatiny mandeha ihany. Raikitra avy eo ny trafika, izay tsy olonolom-poana no mahavita azy. Iniana tsy asiana tompon’andraikitra mihitsy ve mba hampandeha ny afera maizina? Banga ihany koa io ny toeran’ny Minisitry ny fitsarana, izay iray amin’ireo Minisiteran’ny fiandrianam-pirenena. Asa rahoviana ihany koa vao hisy solony sa hiniana hatao ihany koa izay hampitarazoka azy sa aleo hibanaka eo mihitsy ihany koa aloha? Miharihary fa tsy manan’olona sy tsy nivonona hitondra Fanjakana ity Fitondrana ity. Mahay maka fitondrana, fa tsy mahay mitantana firenena. Na hiovaova im-piry eo tokoa aza moa ny governemanta, kanefa ny fomba fiasa tsy miova, ny fahaiza-manao tsy mivoatra, ny laharam-pahamehana tsy araka ny filàn’ny firenena, ny vina misavoamboana tsy marin-toerana, ny vola hiviny raha misy ary tsy sasatry ny mangataka isaky ny mihaona amin’ny tompon’andraikitra iraisam-pirenena,… dia inona no antenaina amin’izany? Toa tonga amin’ilay oha-pitenenana hoe : ny tarehy no ratsy dia ny volo no aholankolana. Mitoetra hatrany ny maha Fanjakana tsy maty hafoy, kanefa tsy velon-kantenaina, fa dia mitsipozipozy lava eo, hany ka lasa sorona hatrany hatramin’ny vahoaka Malagasy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap