firenena ity avokoa na iza na iza vahoaka malagasy mahatsiaro ho tompon’ity firenena ity! Ireo heverina ho saribakolin’ny mpanani-bohitra na antsoina koa hoe saribakolin’ny mpanjanatany amin’ny endriny vaovao ihany angamba no mihevitra fa misy lalan-kafa azony hivoahana ankoatran’ny fanavotàna izao tanindrazana heverin’ireo mbola azo antsoina hoe «tia tanindrazana» iombonana izao! Inoana fa samy mahatsapa ny afa-mandinika rehetra fa mila fanarenana ity firenena ity. Ny mpanao politika moa izany io efa hidinika. Mandeha araka izay heverin’ny fitondràna ankehitriny azy ho vitany ny vahaolana ara-tsosialy sy ekonomika samihafa toy ny resaka herinaratra sy rano na koa ny resaka saran’ny fifandraisan-davitra sy ny vidin’ireo filàna an-davan’andro eny an-tsena. Na izany na tsy izany dia tsy takona afenina kosa nefa aloha ny hoe mbola sarotra hatreto ny mahita fiaingàna ara-toekarena na «relance économique» tena hitondra any amin’izay fanarenana tanteraka ny firenena izay. Mandeha ny fitadiavana fifanarahana diplaomatika hitan’ireo maneho hevitra samihafa hoe misokatra fa tsy mionona amin’ireo mpamatsy vola mahazatra hatramin’izay fotsiny, mba tsy ilazàna hoe tsy mionona amin’ny tandrefana. Efa tonga tany Rosia tany ny filohan’ny fanavaozana, tonga tany Egypta, tany Tchad. Vao tsy ela koa no nanamafy ny fiaraha-miasany amintsika ireo firenena aziatika toy ny sinoa sy japoney. Efa heno koa ny hoe hetsehina i Bemolanga sy Tsimiroro dia samy miandry izany isika io hoe hanao ahoana na hatraiza ny mety ho vokatr’izany rehetra izany. Efa namaky lay ny fikaonandoha handinihina izany koa, etsy ankilany izany, iny ireo raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM ka dia hirariana fatratra ny mba hitondràn’izany rehetra izany vahaolana maharitra amin’izay tokoa satria isika rehetra dia samy te ho avotra eto amin’ity firenena ity!
J. Mirija