airtel

Edito

01-août-2022

Edito

Edito Variana miaro seza…

Sample post image

Ny Fanjakana variana miaro seza sy fahefana, ny vahoaka raha tsy lazoim-pahantrana sy lozirin’ny fidangan’ny vidim-piainana, dia matin’ny tsy fandriampahalemana,…

01-août-2022

Toa lasa ny alika vao manangom-bato araka ny fomba fiteny! Mikorosy fahana ny toekarena, ambony ambany ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tena maro ny sehatra tsy mandeha amin’izay laoniny eto, fa toa tototry ny olana avokoa. Fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, fa fampanantenana sy resaka ambony latabatra fampandriana adrisa no betsaka toy ny hoe: efa miezaka ny fitondrana, tsy andron’ny fanakorontanana intsony izao,… Mbola misy endrika fanompana vahoaka ankolaka amin’ny filazana fa resy lahatra amin’ny ezaka sy ny fampandrosoana entin’ny Fanjakana ny Malagasy matoa tsy mihetsika sy tsy midina an-dalambe. Mihevitra ve ny Fanjakana fa faly sy mankasitraka ny vahoaka eo anatrehan’ny hoe: vola tokony ho nikojakojana ny làlana manodidina ny 500 miliara Ar voalaza fa voahodinkodina ka io efa roa taona io mitaky ny volany ny mpanao làlana saingy hodiana adala? Noresahana sy nohirahirana fa manam-bola ny Fanjakana ka izay 49 miliara Ar ve tsy ho voaloa kinanjo minisitra ao anaty governemanta no tontononin’ny haino aman-jery sasany ho nanodinkodina ny vola. Ny resaka diplaomasia moa efa iray volana mahery izay no nisy ny fitakiana noho ny antony maro, hany ka didim-panjakana no hanerena ny mpiasa fa izay famahana ny olana tsy hita. Ny resaka fifandraisana an’habakabaka sy fizahantany lasa sorona, miantraika any amin’ny lafiny toekarena sy ny diplaomasia. Tena mankasitraka ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy misy vahaolana tena mivaingana afatsy ny fialana bala sy ny fivoizana fa iraisam-pirenena ve ny vahoaka. Hanaovana fampitahana ny hoe: hatrany Eoropa sahirana, ary nanaovana fampitahana mihitsy moa ny resaka vidin-tsolika hoe: ny any aza efa 2euros, izany hoe maherin’ny 8000Ar. Firy euros ny karama farany ambany any dia firy ny aty? Mitovy ve ny 1300euros sy ny 50euros? Ny olona manana paikady sy vahaolana fa ny antsika mba inona? Sao mba efa tafahoatra ity fampandriana adrisa lava sy feheverana ny vahoaka ho bado ity e?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap