airtel

Edito

18-juin-2024

Edito Zogaina amin’ny fanabadoana…

Mbola ilay politika manana ny heviny dia ny fitantanana sy

Sample post image

fampandrosoana ny tanàna sy ny firenena ve no hevitr’ilay politika ampisaintsika eto Madagasikara ?

18-juin-2024

Tena mifototra amin’ny fijerena ny soa iombonana sa efa tena bizinesy politika tsy mahalala afatsy sy seza sy fahefana ka hanaovana ny tsy fanao aza tsy olana intsony ? Toa iniana volena eto ny : politikan’ny fanabadoana, tsy maty manota, firaisana tsikombakomba amin’ny fampahantrana firenena, fanaovana tsinontsinona vahoaka amin’ny endriny maro,… Ny tena zava-doza dia ny lohany eto amin’ny firenena tokony hitarika ny Malagasy any amin’ny fisokafan’ny saina hahay handinika sy hanavaka ny ratsy sy ny tsara, hivoatra amin’ny lafiny maro,… no toa manisika ao an-tsainy ny kolontsain’ny ronono an-tavy, fampanantenana poakaty, famafazana lainga, tsy fanekena ho diso, tsy mampiombona fa mampisamaka,… Zava-doza ny fahapotehana ara-toetsaina sy ara-kolontsaina, fa indrindra ny politikam-panadoana entina hanjahana ny Malagasy amin’ny endriny rehetra. Toa zary lasa tsy mahataitra ny olona intsony ny zava-dratsy sy zava-doza samihafa mamohehitra na ara-politika io na eny amin’ny fiarahamonina satria simba sy nosimbaina ny soatoavina maro. Novolena ny kolontsaina tsy maty manota, ampanjakaina ny tany tsy tan-dalàna, nomena vahana ny kolikoly,… Dia io iaraha-mahita io ny vokany, fa nitsangana hatramin’ny efitra manasaraka ny sarangan’ny mpitondra izay miray feo sy miray hina hanamafy orina ny ambaindain’ny seza sy ny fahefana ka nanao izay hahazoana ny maro an’isa ahafahana miara-mihinana sy mameno paosy andaniny, ary ny sarangan’ny Malagasy miady amin’ny kapoaka isan’andro izay betsaka no atao fitaovana handatsa-bato. Dia mbola hotazanim-potsiny hatrany ve ny firodanan’ny firenena izay efa ampahantraina ara-toekaerana no mbola ampahantraina ara-tsaina sy ara-panahy mba hilentika tanteraka ao anaty ziogan’ny mpanao politika sy ampizogaina fahantrana lava eto ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap