airtel

Edito

20-juil-2022

Edito

Efa afo nandoro ny lamba

Sample post image

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fanantenana vahaolana eo anatrehan’ny olona mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena Malagasy.

20-juil-2022

Toy ny naniraka amalona hatsaka raha izao Fanjakana ankehitriny izao no hantenaina hanao fahagagana, raha tarafina amin’izay fomba fiasany tao anatin’ny efatra taona latsaka kely izay. Ny daozin’ny fampantenana no azo antoka fa hiakatra ambony dia ambony ny lentany. Na hovokisana teny tsara lahatra sy hampanantenaina zavatra mamiratra lava eo aza anefa ny vahoaka, maro no efa tonga saina, betsaka no sahy maneho mivantana hoe: izahay tsy bado intsony, izahay tsy vendrana, izahay tsy “concombre”, hoy ny hafa. Ny nifidy aza tofoka sy leo, ary diso fanantenana tanteraka ka mbola hanantena inona amin’ny mpifidy moa izany izao fitondrana izao? Niditra tamin’ny varavaran-kely ka tsy tsara kokoa ve raha manaja tena mivoaka amin’ny varavaram-be? Hoy ny olom-pirenena. Efa iny tamin’ny 2018 iny vokatra tsara indrindra azony tamin’ny fifidianana. Tsy hitombo velively ireny raha ny lojika sy madio ny fifidianana satria ny nifidy anao aza betsaka no leo, ny tsy nifidy anao efa tsy hifidy, mitombo ny herijikan’ny mpanohitra,… Afo nandoro ny lamba ny Fanjakana volomboasary raha tarafina amin’ny zava-misy, ka hohalavirin’ny olona tahaka ny fasam-bao. Efa tahaka ny tanala very sampy ny ankamaroan’ny vahoaka, ka tonga any amin’ilay hoe: efa tsy izy intsony ity, tanala very sampy ka manova ny mety. Sarotra ny hisian’ny fahagagana ato anatin’ny herintaona izany, ary raha nanam-bahaolana tsy niandry ho latsaka lalina ohatr’izao vao hikofokofoka hivoaka ao an-davaka. Matoa tonga amin’izao, dia io no faraheriny. Samia ho ela velona hiaina ny tantara, ary mirary ny isam-batan’olona hahita ny rariny eo anatrehan’ny fiatrehana ny fahasahiranana sy fahantrana lalina ankehitriny, sady maka lesona hiatrehana ny ho avy hatrany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap