airtel

Edito

19-oct-2022

Edito

Efa fantatra mialoha anie e !

Sample post image

Tsy sanatria mandatsa fa vao nanomboka ny propagandy ny taona 2018 dia efa notenenina ihany fa be resaka loatra ny kandidan’ny TGV Mapar,

19-oct-2022

be fampanantenana loatra, misekoseko sy diso mahatoky tena loatra ary nanambany ny hafa kanefa efa hita nandritra ny tetezamita fa tsy mahavita mitantana araka ny tokony ho izy ny firenena.Fa efa iny moa ny voka-pifidianana, dia mbola nanome toky sy fampanantenana ihany nandritra ilay kabary nanamarihana ny 100 andro nitondrana. Rehefa milamina ny tany, dia mandeha ny fampandehanan-draharaha mahazatra, fa rehefa tongan y krizy tamin’ny alalan’ilay valanaretina Covid 19 dia nipoitra daholo amin’izay ny kitoatoa sy tsy fahaiza-mitantana .dia mbola averina eto indray ve ny fitsinjarana fanampiana namiady vahoaka sy nanakorontana farahamonina ; aiza ve ka olona mitondra fiara 4x4 no mahazo PPN, ary tsy menatra akory mitatitra izany eo imason’ireo vahoaka maro be hita fa tena noana sy sahiran-tsaina.Resaka « bonbon sucette » no namoahana vola be amina miliara ; novidiana daholo izao karazana fitavana nolazaina fa nampiasaina teny amin’ny CCO Ivato ary mafo dia lafo vidy tokoa. Ny aferafera any amin’ny resaka tsena-barom-panjakana efa tena mampiteny ny moana. Ny karazana fitondran-tena tsy mendrika ataona manampahefana san-tsokajiny efa lasa tahaka ny tantara miitohy mandeha amin’ny onjampeo.Ny kabary toa miova foana, manonona A androany, mivadika ho B indray rahampitso avy eo dia hoe D no tena izy.Manodidina ny 81% ankehitriny ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara ary tena miha ratsy ny kalitaon’ny fampianarana, dia mbola mahasahy manao vava be mampanantena teleferika sy train urbain ary trano mora ka nefa sarotra azo ihany ny sasany.Reraka ny olona, hany ka izay hihinana sisa no masaka ao an-tsaia ary lasa tsy dia mivaky loha intsony, dia manararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina ry mpanao afera sy asan’ny maizina isany. Lazaina fa tsy ilaina ny fifampiresahana fa tsy misy krizy izany eto ; fahatokisan-tena diso tafahoatra sa tena tsy firaharahiana ny mpiara-monina sy ny mpiray tanindrazana mihitsy ?
RTT
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap