airtel

Edito

16-sept-2021

Edito

Efa lasa fiainana

Sample post image

Efa lasa fiainantsika Malagasy ny fisolokiana, hoy ny tomponandraikitra amin’ny sampan-draharaham-panjakana iray, omaly,

16-sept-2021

 nanazava tranga mifandraika amin’izany ka antony nandraisan’izy ireo fepetra fisorohana sy famongorana tanteraka azy io. Asa moa na ho vitan’izy ireo izay fikasana heverina fa hahasoa ny fiarahamonina izay, ho an’ireo mbola lojika ara-pomba fijery eto amin’ity firenena ity. Somary maha lasa saina tokoa tsinona ny maheno ilay hoe efa lasa fiainana satria dia tsy eo amin’izay resaka voalaza teo izay ihany izany amin’izao fotoana izao ahitana taratra fa lasa fiainana eto Madagasikara mihitsy ny resaka fahalovana isan-karazany. Isan’ny efa voalaza teo hoe fisolokiana fa mbola eo koa ny kolikoly, ny akamakama, ny ramatahora, izay tranga heverina ho tsy ara-dalàna, fa indrindra koa, ny tsy ara-drariny rehetra. Firifiry moa ireo fitarainana olom-pirenena hoe voasoloky ara-tany na manana raharaham-pitsarana mahatsiaro ho voarirarira hatramin’izao na koa hoe tsy nahazo ny rariny mihitsy nefa dia efa maro ireo porofo asehon’izy ireo ho hitam-poko sy firenena fa hananany ny rariny na izy ireo mihitsy no lasibatra tao anatin’ilay tranga? Am-polo taonany maro no efa nahenoana izany teto Madagasikara saingy mbola samy mahalala ny maro fa tsy afaka eto izany hatramin’izao. Efa famerina teto foana ny raharaha “Bonbon sucette” sy ny “Ecran plat” sy ny hafa rehetra saingy toy ny tranga efa mpandalo sy tsy dia tokony hatao maha taitra intsony ve ireny rehetra ireny na dia iaraha-mahalala izao fa tsy lojika amina firenena tena mandala ny ara-dalana aza ny tsy fahenoana ny fitohizan’ny fanadihadiana momba ilay raharaha? Iny izao, farany teo, hoe nogiazana ny fitaovam-piadian’ilay olo-malaza tampoka tato ho ato. Samy mametra-panontaniana ny mpanara-baovao hoe tsy tokony ho samborina koa ve izany ilay nitazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalana? Tsy izany ve no voarakitry ny lalana ary fanao amin’ny firenen-drehetra? Tsy misy tomponandraikitra hita ho tena mamaly mahitsy sy mazava ireo fanontaniana ireo hatramin’izao fa dia ho atao vitavita ho azy indray koa ve izany no tanjona amin’izy ity? Miandry ny tranga mandika ny lojika manaraka indray angamba fa efa mitady ho lasa fiainana izy ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap