airtel

Edito

14-juin-2021

Edito

Efa raiki-tampisaka

Sample post image

Ny resaka zo, fahalalahana maneho hevitra, ny fiheverana ny atao hoe fampandrosoana,

14-juin-2021

 

ny resaka fitandroana filaminana, ny tokony ho laharam-pahamehana eto amin’ity firenena ity, samy azo atao hoe resaka nombana tranga nanamarika izay herinandro izay niaraka tamin’ity baraingo momba ny atao hoe fiarovantsika ity tanindrazantsika ity ireo. Mbola nanamarina indray fa sarotra ho an’izao fitondrana izao ny mihaino ny tena marary ny vahoakany sy ny mamaha izay tena olany miainga avy amin’ny sosokevitr’ireo heverina ho manana ny fahaizany manokana eto amin’ity firenena ity, na tsy anaty fitondrana aza, sy ny sosokevitr’ireo hery politika hafa ivelan’ny vondrona sy antoko na fikambanana miaradia aminy. Hatramin’ny taona 2009 izao fitondrana izao no efa fantatra amin’ny fahaizana mampiasa serasera, indrindra an-tsary, hisitomana ny mason’ny maro mba handisoana tsikera iray na roa tena misongadina ka mety hatahorana hampidina ny fihobiana azy. Nahafinaritra tokoa ny nahita ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanana iray avy amin’ny antoko mpanohitra naneho “sary” fa tena vonon-kiara-hiasa ary ny filoham-pirenena mihitsy no nanatona teny amin’ilay toerana tantanan’ingahy ben’ny tanana ny faran’ny herinandro teo. Toy izany koa ny fanehoana an-tsary ireo fanomezana samihafa tanatin’izany saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe maninona no aty amin’ny fisasahan’ny taom-piasana vao nasongadina ireny sary ireny? Dia tena iny irery tokoa ve no ben’ny tanana avy amin’ny mpanohitra afaka manokatra fiaraha-miasa amin’ny fitondrana? Tohizana amin’ny manaraka iny fa ny isan’izay tena maha valalanina ihany koa dia ny fitohizan’ilay filazana hoe miasa sy mampandroso ny “filoham-pirenena”. Ny sasany aza moa “ankona” mihitsy, hono, mahita ny zava-bitan’izao fitondrana izao. Mipetraka ny fanontaniana hoe ilay nahatonga ny litatry ny menaka ho 9000 ariary ve sa ny vidin’atody efa mananika ny 1000 ariary? Efa mihena ve ny tsy fandriampahalemana ary milamina ny vahoaka sa sanatria ahiany tsy hisy hametrahany tongotra intsony aza eto afaka 10 taona? Mety ho sarotra ho an’ny mpitondra aty amin’ny firenena mahantra toa antsika tokoa angamba ny hanakatra sy hisokatra amin’izay hevitra avy amin’ny firehana hafa izay fa aleo ho an’ireo firenena efa misy mpitondra sy mpanao politika mahazaka tefaka sy toraka lafarinina matetika ihany aloha. Efa raiki-tampisaka.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap