airtel

Edito

30-nov-2021

Edito

Efa tena Fanjakan’i Baroa ?

Sample post image

Mbola tany tan-dalàna ve i Madagasikara sa efa tena tafiditra tanteraka ao anatin’ilay hoe fanjakan’I Baroa na Fanjakana loham-boto?

30-nov-2021

 Toa mikorontana ambony ny fiainam-pirenena, ary tsy mandeha araka ny lojika intsony. Tsy tena mipetraka intsony ny lamina araka ny lalàna sy ny lojika araka ny rariny sy hitsiny, fa toa samy manao izay revireviny eto. Miainga avy any ambony ny ohatra ratsy. Misy olom-boafidy sy olom-boatendry voatonona ho nametraka samboady ho ana olona tsy lany satria araka ny didy navoakan’ny Filankevi-panjakana, dia haverina ny fifidianana. Nisy didy hafa nanova izany sa dia miainga amin’ny loham-boto fotsiny? Misy miaramila nahafaty olona, dia mandoa vola an-tapitrisany, omby 8,… ny nahavanon-doza dia hoe: vita tsy misy arakaraka rehefa nisy ireo zavatra nentina handaminana ny raharaha. Zava-dehibe ny fifandaminana, ary mariky ny maha Malaagsy, kanefa mila ampahatsiahivina ve ny lalàna fa: na nahy na tsy nahy dia, nisy faty olona tao ka «homicide» foana no iantsoana izany, ary Fitsaràna irery ihany no mahita raha nisy ilay finiavana hamono na tsia? Ny Fitsaràna no manameloka na manafaka ny nahavanona izany, ary ny famotorana tsy maintsy atao, na nifanaraka ara-pomban-drazana na tsia ny roa tonta. Ny heloka bevava tsy azo alamina fotsiny… Hatreto aloha, mbola voatazona any amin’ny zandary ilay miaramila nahafaty olona tany Ifotaka, raha ny vaovao farany. Mandeha indray ampamoaka sy ny fitorohana noho ny resaka kolikoly, dia ny olona sahy mamaky bantsilana ny tsy mety indray no notorian’ny Fanjakana sy nohelohina handoa onitra an-tapitrisany. Izay fitoriana sy porofo nentiny nentina nanamarinana ny halatra sy fanodinana volam-panjakana, toa tsy nisy tohiny hatreto, ka toa tratry ny “azo raisina fa tsy mitombina angamba!?” Aiza ilay lokaloka sy fanamby natao, fa tsy hisy fandeferana na hiviny kely monja aza ho an’ireo nanao kolikoly ka ankoatra ny sazy dia hamerina hatramin’ny Ariary ny vola nangalariny? Balarora no betsaka!? Misy tokoa ny fanenjehana samihafa, saingy ireo sokajiana ho tsy mitovy hevitra ara-politika aloha no voatsipona. Hatramin’ny mpaneho hevitra tamin’ny facebook midoboka any am-ponja, rehefa tsy akama. Ireo ahiana ho nanodina amina miliara kosa toa iniana hikipiana rehefa ekipan’ny Fitondrana, ka mitombina tanteraka ilay tenin’ny Filohana Andrim-panjakana iray mpomba ny fitondrana rehefa manakiana ny mpanohitra hoe: “toy ny voamason’omby maty, mijery ihany fa tsy mahita”. Toa miharihary ihany koa io amin’ny fifampiarovana amin’ny ratsy ao anaty Fitondrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap