airtel

Edito

07-oct-2022

Edito

Efa tena lany henatra

Sample post image

Manampahefana nanadala vehivavy vahiny, manampahefana tsy nahita fa efa nivadika vy ilay volamena tao anaty « coffre », manampahefana tafiditra amina raharaha ady tany,

07-oct-2022

manampahefana mandefa emmo reg any amin’ny fiangonan’olona, manampahefana miampanga manampahefana hafa hoe dahalo, manampahefana tsy manaja « parking » ka voapetaka « taquet d’arrêt » ny fiarany, manampahefana tsy misalasala manoratra teny ratsy eo amin’ny facebook, manampahefana manakarama olona hoe lanjao toa ny mpanjaka aho, manampahefana voatonona anarana amina fitaterana hazo sarobidy tsy ara-dalàna….hatreo ihany aloha na dia mbola azo itarina tsara aza.Tena tompondaka marina raha resaka zavatra hafahafa.Ny tranga tahaka izao anie no mahatonga ny olona tsy mahatoky intsony e, tena mampametra-panontaniana hoe : amin’ny fotoana inona izany no tena hoe manao ny asam-bahoaka tsy misy fangarony ireto manampahefana ireto ? Sa rehefa tsy misimisy afera vao mijery ny raharaham-panjakana, dia izao no alehany, ambony ambany ny resaka fitantanana ary tena samy mihevi-tena ho mafy sy tsy azon’aloka. Fa ny mahagaga dia tena mbola sahy mirehareha ihany, manenjika ny hafa, manilika andraikitra.Sa efa tena lany henatra e ?
RTT

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap