airtel

Edito

23-févr-2021

Edito

Efa tena politika maloto !

Sample post image

Manomboka miha mifotetaka amin’ny tany hatrany ny fanaovana politika eto amintsika.

23-févr-2021

 

 

Miha maloto andro aman’alina, ary tsy ny hevitra sy ny foto-kevitra intsony no miady, fa efa tena ny olona mitady izay fomba rehetra mamohehitra hamelezana ny mpifanandrina. Fifandrifian-javatra ve ny fikitihana any amina resaka ankohonana sy fianankaviana? Ny mety ho famoronana vesatra handetehana olona iray? Tsy firesahana ilay tranga manokana niseho tato anatin’ny 72 ora lasa io, fa kosa toa mitady ho lasa fomba fiady eto. Tsy fombana na iza na iza, fa afa misy minisitra iray any am-ponja, ohatra, nanatsoaka ny fitoriana ny olona narisika ho vavolombelona sandoka, ary niaiky fa tsy misy hidiran’ny henjehina ny raharaha, saingy nipoitra tampoka any famoronana vesatra hafa. Ekena fa mety ho tafiditra amin’ny politika eto amintsika ny lalao maloto, saingy mba efa tena mivaona tanteraka ihany koa raha any amin’ny fiainam-pianankaviana sy ny tsy manan-tsiny no handeha hifamotika sy hitady fomba handemena ny mpifanadrina. Ny zava-drehetra mety ho zaka ihany, mety ho lefitra ihany,… fa ity resaka fanagadrana olona noho ny firehan-keviny ara-politika ity, io famonjana olona amin’ny zavatra azo lazaina ho tsy misy dikany io, ity ankisambotsambotra sy fandrahonana etsy sy eroa ity,… dia aleo tsorina fa mety hampihazakazaka vetivety ny firodanan’ny Fanjakana iray. Raha mbola zavatra azo halamina sy harindra tsy tokony hamotika fiainan’olona fahatany na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika, ary fahadisoan-kevitra goavana ny fiheverana fa ho eo mandrakizay. Efa izany no natao fitaovana nandrodanana ny tany aloha, saingy io fa miverina hatrany. Mbola tsy nahazo lesona foana ve ? Samia ho ela velona ary aleo ny tantara hatrany no hitsara!

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap