airtel

Edito

12-déc-2025

Enga anie ho tsodrano!

Safotry ny fiakaran’ny rano

Sample post image

amin’izao fotoana izao ny eto

12-déc-2025

Antananarivo sy ny manodidina. Tonga ny fahavaratra. Betsaka noho ny hita tao anatin’ny 3 taona farany kosa aloha ny rotsak’orana tato ho ato. Ravo ny zavaboary. Velombolo ny tantsaha na dia mahatsiaro fijaliana ihany aza isika eto an-drenivohitra amin’ity rano miakatra vao mainka miha zava-doza ity ny haavony. Ny azo irariana angamba dia hoe enga anie ho tsodrano ho an’ity nosy malalantsika ity ny rotsak’orana misy manerana an’i Madagasikara ao anatin’izao vanim-potoana natao hisian’izany izao! Mandalo kihon-dalana lehibe io ny firenena. Raha ny fandaharam-potoana moa dia hoe anaty fikaonandoha isika io. Fikaonandoha izay mampiady hevitra ny fomba fijery samihafa tokoa. Ao ny mahita fa miha mivoana tamin’ny tolona natao izay nanongotana ny fitondràna tsy nahavaha na dia ny olan’ny herinaratra sy rano akory no sady tsy nahazaka demokrasia no miha mahazo vahana amin’izao fotoana. Ao ireo mbola manantena fa betsaka ny fanintsiana mbola azo atao ary mbola hananantsika ny fotoana. Misy ny mahita fa taratra ihany koa ny ezaka ataon’ilay fitondràna mijoro mba hanoherana ireo heverina hoe mpanao ampihimamba iraisampirenena tahaka ny firenena frantsay ary tena marika na «symbole» goavana amin’ny finiavan’ny filoham-panjakàna malagasy hiady amin’izany firenena mpangeja izany ny namaliany teny malagasy ranoray ny fanontaniana rehetra napetraky ny haino aman-jery frantsay iray nanasa azy mivantana vao tsy ela izay. Mandritry ny 1 taona sy 4 volana eo izany, rehefa atao ny tombana rehetra, no hahafahana manatontosa ity hoe fikaonandoham-pirenena ity ka ny hirariana izany dia ny hoe enga anie ho tsodrano hatrany izao rotsak’orana mitosaka izao!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap