fom-bahoaka mihitsy ny hoe : tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, saingy ny tsy fahaiza-mitantana niteraka fahantrana lalina aloha no nisongadina. Tsy mbola nisy fitondrana sy mpitondra nampidi-kizo sy namotika tahaka ireny tao anatin’ny antsakaka taon-jato. Moa mba efa naka lesona ve isika sa mbola mitady ny hanao « ny omaly tsy miova ! » ? Asa rahoviana vao tena ho tonga amin’ny fanamby dia ny mba hiadanan’ny Malagasy ? Tsy ny harena sy ny herijika no tsy misy fa ny finiavana sy fitiavan-tanindrazana. Mba efa velombelona ihany aloha ny fanantenana toy ny mety ho fahatanterahan’ny hiran-dry Mahaleo, dia ny « Bemolanga » izay efa am-polo taonany maro no nihirana hoe : rahoviana no hitranga, asa angamba atsy ho atsy, no ho tonga i Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy. Manangasanga ihany koa io tetikasa Volobe, izay efa 10 taona no niresahana sy nanaovana sonia ka enga anie mba tsy ho ny omaly tsy miova ny vokatra amin’ity. Manokatra ny masom-panahy, mamelona ny fanantenana,… ireny ka ny irariana dia tsy hijanona ho ronono an-tavy toy ny hatrizay e !Na sanatria ny vahiny sy ny olom-bitsy no higalabona fa ny Malagasy maka sisin-tosy !
Toky R