airtel

Edito

11-oct-2024

Fadio ny mihinana am-bolony !

Samy miaiky angamba ny rehetra amin’izao fotoana izao,

Sample post image

fa tsy vitan’ny olon-tokana ny fampandrosoana, fa tena miankina amin’ny olombelona rehetra.

11-oct-2024

Mila ekipa mahomby, mila vina sy programa mifanaraka amin’ny Firenena, faritra, kaominina,… fa tsy vitan’ny fampanofinofisana sy fampanantenana fotsiny. Tsy vitan’ny manaratsy ny mpitondra nifanesy ka milaza fa tena hanao zavatra, kanefa rehefa tonga eo toa lany andro mikabary sy mamono afo ary mampanantena fahagagana, saingy tsy hita izay vokany. Lasa endrika fihemorana no misy, ka miverina avokoa izao fomba fiasa efa nilaozan’ny toetr’andro efa niainana tany amin’ny Repoblika faharoa, raha tsy hilaza afatsy ny kizarazara vola tsy mahavita taona, kizarazara rano,… Lasa mivaona, ka toa entina hampalazana ny filoham-pirenena avokoa izao rehetra izao ka rehefa misy zavatra kely atao dia izy no antsoina hitokana na hanolotra zavatra mba hanakontakonana ny krizy sosialy mangotraka eto. Rehefa miresaka avy eo dia tahaka ny hoe : io i Mesia hamaha ny olana rehetra, hamadika ny rano ho divay,… Tsy fotoanan’ny fampanofinofisana intsony izao, tsy fotoanan’ny sehoseho ivelany sy fanjonoana vahoaka, fa fotoanan’ny asa, fotoana hijerena ny soa iombonana, fotoana hanarenana ny tsy nety hatramin’izay,… Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika, ka fotoana ihany koa tsy hihinanana am-bolony entina hijerena tavan’olona na laza, fa tena hahafahan’ny rehetra mandinika sy mamakafaka hoe : ny vina sy ny programa ary ny fomba fiasan’iza no mety sy mendrika ? Ny hevitr’iza no mety sy azo tanterahana kanefa mahasoa vahoaka ary ny an’iza no fampatoriana mitsangana hahazoana vaton’ny mpifidy fotsiny ! Fotoana izao hahafahana manova ka hilana fiaraha-mientana satria mandresy vao miara-dia fa tsy miara-dia vao mandresy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
27-mai-2025

amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany samihafa toy ny JIRAMA, fa tsy

Card image cap