airtel

Edito

24-mars-2022

Edito

Fahagagana inona intsony e ?

Sample post image

Telo taona sy tapany in’efatra niova ny endriky ny governemanta, saingy arakaraka ny niovaovany no vao mainka nampitotongana ny firenena,

24-mars-2022

 tsy nitsaha-nijotso nakany amin’ny fahantrana farahidiny. Herintaona sy efatra volana eo sisa ananana, saingy hahavita hanao fahagagana ve ilay fahefana mpanatanteraka ? Mahakely finoana, raha tarafina amin’izay efa nafitsony tao anatin’ny telo taona sy tapany izay. Toa ny lohany mihitsy no efa tsy mahahovoka sy tsy mahazaka firenena, ka karazan’ny tonga amin’ilay oha-pitenenana hoe: “ny tarehy no ratsy dia ny volo no aholankolana”. Etsy ankilany, manomboka mimenomenona ny akamakama sasany, fa diso fanantenana, tsy nahazo toerana, kanefa ny paiso an-kady meety ho tapitra ihany, ny fe-potoana kely sisa,… Endriky ny tsy fahamatorana sy ny tsy niomanana akory hitondra firenena ny zava-miseho ankehitriny. Na ny politika anatiny na ny politikam-panjakana momba ny fifandraisana amin’ny iraisam-pirenena tsy marin-toerana. Mahalala ny tantara niainga tany amin’ny fifidianana ny mpamatsy vola, ary mahafantatra ny fitantanana tsy mangarahara, ny afera maloto, ny kolikoly avo lenta,… Ireny navoakan’ny fitsarana momba ny kaonty ireny ny ampahany voalohany momba ny tatitry ny fanadihadiana nampiasana ny vola niatrehana ny coronavirus. Volabe tsy tokoa tsy forohana hatrany amin’ny 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar ahitana fandaniana tsy mazava sy ahiahiana kolikoly maro. Iza no mbola hanome volabe eo? Ilay minisitra nitantana ny resaka vola tamin’izany no nalefa any amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, toa natao hipasoka daomy sy handravona ny afera tsy mazava hatrizay ka hahomby ve? Manginy fotsiny ny resaka diplaomasia, izay toa nahatezitra ny Eoropeanina sy ny mpiara-dia aminy ny tsy nanarahana ny hevitr’izy ireo fa manao fitan-droa ny Fitondrana. Lasa “tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika” araka ilay fomba fiteny anefa, hany ka toa mitady ho sady tsy an’ny atsy ny tsy an’ny aroa. Ny vahoaka Malagasy no lasa voasazy noho ny hafitsoky ny mpitondrany ka fotoana izao hakana lesona mba tsy hovidian’ny olona amin’ny t-shirt sy ny artista na koa vola kely tsy mahavita taona, dia handeha hanome fahefana azy amin’ny fandrobana firenena manara-penitra eo indray !
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap