airtel

Edito

29-juil-2021

Edito

Fahalemena tsy zaka

Sample post image

Efa ny mpiaradia amin’ny fitondram-panjakana mihitsy izany izao, mba tsy ilazana hoe ny samy ao anaty fitondrana, no miaiky fa tsy ny mpanohitra azy ireo loatra no sakana

29-juil-2021

 tsy hahatanterahan’izy ireo ny vinany fa ny samy ao an-dapa aho ihany no mila mahay mifandamina. Etsy an-kilany dia efa hatramin’ny tetezamita farany teo no nalaza ho manana fahalemena tsy zaka ity fitondrana ity dia ny fitiavana sehoseho sy ny fanaovana serasera mirentirenty handomana fom-bahoaka. Nofintinin’ny maro tamin’ilay voambolana malaza hoe “werawera” moa izany taty aoriana. Zava-doza ary mahakasika ny ain-dehiben’ny firenena iray ny fikasana hamono ny filoham-pirenena ao aminy. Mampametra-panontaniana ny tranga izay mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eto Madagasikara hatramin’izao izay nifanohy tamin’ny an’ireo firenen-kafa toa an’I Haiti sy Mali izay efa nampatsiahivina teto moa. Tranga narindran’ny mpanjanaka amin’ny endriny vaovao toy izay efa nitranga tamin’ireo firenena afrikanina hafa tam-polo taonany lasa ve izy itony sa fifanandrifian-javatra ihany? Inoana fa isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpanara-baovao any amin’ireo firenen-kafa niharan’ny tranga nitovitovy tamin’izao mbola malaza eto amintsika izao io. Ny eto moa izany niampy ilay fanontaniana zary nahazatra hoe sao dia sinema indray? Eo am-piresahana izay resaka laza teo izay sy ny resaka fitiavan’izao fitondrana izao serasera manaitra vahoaka koa anefa, raha iverenana, no maha lasa ny saina hoe maninona tokoa moa no mbola tsy mety mangina hatramin’izao ity resaka fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ity? Nisy serasera hafa efa niezaka nampiasa voambolana hafa ihany mba tsy ho sanatria hitohy ny tsilalaontenin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ilay voambolana hoe “fifofoana” saingy dia mbola io iarahantsika mahita eny amin’ny tambazotran-tserasera io izy. Izay voambolana izay rahateo ve izany, sanatria, no hatao teny fototra hanangolena saim-bahoaka sy hambaboana ny fony indray amin’ny taona 2023 na dia sanatria hanaovana sorona ireo mpiara-nitolona aza?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap