airtel

Edito

28-juin-2021

Edito

Fahaleovantena sa fahalovantena ?

Sample post image

Vita iny ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, ary mitodika amin’ny fiainana andavanandro indray ny rehetra, rehefa avy nifalifaly sy nampisinda kely ny rotorotom-piainana sy fahasahiranana.

28-juin-2021

 

Mason-tsokona masom-boalavo ka dia izay kely nananana no nohezahina nahiratra. Mila misikim-ponitra hihatrika ny ho avy indray izao. Na izany aza, tokony ho mandavan-taona ny iainana ilay antsoina hoe: “fahaleovantena”, fa tsy sanatria ho lasa haitraitra sy fety tsy hita izay maharatsy ny fankalazana azy. Mampahatsiahy ilay tononkalon’Itompokolahy Georges Andriamantena na Rado no ahalalan’ny besinimaro azy hoe: Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy, hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy. Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana hampigoka mamy ny isam-baravarana. Tsy trosa tsy miato iandrandrana vola avy any Dilambato; Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka, tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka (…). Tsy endrika sodokan’ny fiheveran-tena ho mahavita tokana. Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra(…). Tsy hoe ianao mitsako, fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako. Fa Fahaleovantena ahitana toky ka ny maro an’isa no sambatra sy voky. Tsy vola fafy katrana hividianana olona ho sandam-pisandratana, fa fahaleovantena mitana fahamarinana. (…) Tsy fitadiavan-tehaka na horaka mandainga mba hampidehadehaka. Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena, fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena… Ampahany ihany ireo, izay mampisaintsaina. Haingam-panahy efa tany amin’ny 30 taona lasa, saingy toa efa faminaniana amin’ny hoavy satria tsy misy tsy hita ankehitriny ireo zavatra notanisain-dRado ireo. Mety efa toe-javatra hita taratra teto Madagasikara hatramin’izay, saingy vao mainka nahazo vahana izany ankehitriny. Inona tokoa moa no tena fahaleovantena misy eto amin’izao fotoana izao? Moa mba tena mametraka sy mamaritra izany ny zava-miseho eo Madagasikara miainga avy amin’ny Mpitondra faran-tampony hatrany amin’ny vahoaka farahidiny? Kisehoseho no betsaka, ary tena niharihary io tamin’ny endriny ivelany nandritra ny fanamarihana notarihin’ny Mpitondra farantampony vao andro vitsy. Asa rahoviana vao tsy ho sarintsarim-pahaleovantena toa endri-panesoana antsika intsony no hiseho eto? Sanatria toa lasa fahalovantena fa tsy fahaleovantena intsony!!!
Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap