fanorenana fanjakana tan-dalàna, mangarahara, mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka. Anatin’ny antsoina hoe fanavaozana isika izao, saingy mbola maro ireo sedra sy sakana tsy maintsy dinganina, indrindra ireo fomba fanao efa latsa-paka ao anatin'ny tontolo politika malagasy. Anisan'ny aretina politika mbola mampitarazoka ny fampandrosoana ny fivadihana palitao, miova lafy arakaraka ny tombontsoany manokana fa tsy arakaraka ny foto-kevitra na ny fandaharanasa ijoroany. Vokatr'izany dia mihena ny fitokisan'ny vahoaka ny mpitondra sy ny antoko politika. Rehefa manjaka ny kajikajy politika sy ny fitiavan-tena dia sarotra ny mametraka vina maharitra sy politika mifototra amin'ny tombontsoa iombonana. Eo amin'ny fitantanana ny Firenena, sedra maro no mbola atrehina. Mbola olana lehibe ny kolikoly, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fahalemena eo amin'ny fampiharana ny lalàna. Etsy ankilany, miatrika fanamby ara-toekarena sy ara-tsosialy goavana ny fanjakana, toy ny fahantrana, ny tsy fananan'asa ary ny fahasarotan'ny fahazoan'ny vahoaka ny tolotra fototra toy ny fanabeazana sy ny fahasalamana,… Antony ny lavaka mangitsokitsoka nolovaina avy amin’ny fahalovana ara-pitantanana nifandimby. Mbola manjaka amin'ny toerana sy rafitra maro ny kolontsain'ny tsimatimanota, ny fifandrafiana politika maharitra ary ny fampiasana ny fahefam-panjakana ho fitaovana hiarovana tombontsoa manokana. Rehefa tafapetraka ny fitantanana mangarahara, hajaina ny lalàna ary omena lanja ny tombontsoa iombonan'ny Malagasy rehetra, vao afaka mitodika amin'ny fanorenana Repoblika matanjaka sy maharitra i Madagasikara. Ny fanamby dia lehibe ireo, tena miainga amin’ny isam-batan’olona sy ny ohatra avy any ambony. Tena mitaky finiavana goavana !
Toky R